Faritra Ihorombe: Tara roa taona ny fampandrosoana ary mahatsiaro fa zanak'Ikalahafa

  • jeudi, 06 août 2020 15:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana ny Lonaky sy ny mpikambana FITIBA (Firaisankinan'ny Terak'Ibara) ato amin'ny Faritra Ihorombe mampahatsiahy fa anisan'ny nampandany ny Filoham-pirenena tamin'ny isam-bato ambony dia ambony ny Faritra Ihorombe ary mbola vonona hanohana azy amin'ny fanantanterahana ny Velirano nampanantenaina ho fampandrosoana ny Faritra Ihorombe.

Efa voatendry, hoy izy ireo, ny ankamaroan'ny Governora amin’ny Faritra hafa manerana an'i Madagasikara, vokatr'izany dia mahatsapa ny Lonaky FITIBA fa « tara roa taona ny fampandrosoana ny Faritra Ihorombe raha ampitahaina amin’ny Faritra hafa ary mahatsiaro fa zanak'Ikalahafa ».

Mangataka ny hanendrena ny Govenora tena zanaky ny Faritra, manampahaizana, mahalala ny olan'ny Faritra sy ny Fomba tany ary ny soatoavina Bara izy ireo « hanamora ny fanatanterahana ny Velirano nampanantenainao hampandrosoana ny Faritra misy anay ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.