Antoko TIM: Tsy miray tsikombakomba amin’ny tsy fahombiazana mikasika ny Covid-19

  • mardi, 04 août 2020 21:44
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana ny antoko Tiako i Madagasikara TIM, tamin’ny alalan’i Riana Randriamasinoro, Sekretera jeneralin’ny antoko, milaza fa « Tsy miray tsikombakomba amin’izay mety ho tsy fahombiazana amin’ny fitantanana ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka amintsika mikasika ny Covid-19, fa mitaky kosa ny fijoroan’ny fanjakàna amin’ny teny izay nataony hoe « izahay izao no mitondra ».

Koa dia raiso ny andraikitrareo manoloana izay safidy efa noraisinareo hatrany ampiandohana, ary mbola manamafy hatrany ny fitakiana ny mangarahara ».

Nampahatsiahy ny TIM fa « hatramin’ny fiandohan’ny valanaretina Covid-19, dia niantso sy nanolo-tanana ny fitondrampanjakana fa tsy nohenoina sy natoso-bohotanana.

Nangataka ihany koa ny famoahana ny mangarahara momba ny fitantanana ny fanampiana azo mikasika ny valanaretina, dia nambara fa mitady toerana sy te hiara-mitantana ny famatsiambola.

Ankehitriny, gaga izahay fa mitady hampiasa ny anaran’ny antoko TIM ny fitondram-panjakàna manoloana ny olana ara-tsosialy » ka nahatonga ny antoko manao fanambarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.