Conseil du Fampihavanana Malagasy: Hatramin’izao tsy mbola nandray karama ny Mpikambana

  • mardi, 04 août 2020 21:38
  • Zakaria

Misedra olana ara-bola ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy). Vokany, tsy mbola nandray karama volana jolay ireo mpikambana izay efa zatra mandray izany manodidina ny faha-20 ny volana diavina eo, tsy mbola nandray tambinkarama ihany koa ireo mpiara-miasa toy ny « Assistants ».

Olombelona miisa 200 eo ho eo no voakasik’io. Efa hananika ny taona iray ihany koa no tsy nisitraka ny tambiny ara-bola ho an’ny saram-pifandraisana sy solika fandray isam-bolana ireo mpikambana ao amin’ity andrimpanjakana mpanajary ny fampihavanam-pirenena ity.

Mianto-tena ireo mpikambana mamita iraka manerana ny Nosy. Mitarazoka ela ny fanonerana ny lany mikasika izany, hoy ny loharanom-baovao.

Eo ny goragora amin’ny resa-pitantanana anatiny ao amin’ny CFM, fa vao mainka nampitarazoka sy mahasarotra io fandoavan-karama io ny fitakiana pitsopitson’ny lalàna.

Anisany fepetra ihany koa ny hoe : tsy maintsy atao « virement bancaire », nefa ny mpiara-miasa sasany amin’ireo mpikambana CFM dia any amin’ny toerana tsy misy banky no misy ny ankamaroany.

Niezaka namaha vonjimaika ny olana ny Birao maharitra nampian'ny mpikambana tsotra. Siosion-dresaka no andrenesana fa efa any amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny vola saingy tsy mbola nisy ny « virement » hatreto.

Betsaka no efa mandry fotsy, vokatr’io fahataran’ny karama sy tambinkarama io, ka anaovan’ireo mpiasa sy mpikambana ao amin’ity andrimpanjakana ity antso avo amin’ny governemanta hamaha ny olana.

Marihina fa manana « Assistants permanents » roa ny mpikambana tsotra ao amin’ny CFM, ary « Assistants non permanents » efatra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.