Faritra Analanjirofo: Tsy hita ny filoha mandrak’androany

  • lundi, 03 août 2020 19:09
  • Balita
  • Sary nindramina

Maro ireo mifanontany ny amin’ny antony tsy nahatongavan’ny filoha Andry Rajoelina taty Fenoarivo Atsinanana nandritra ny lanonana fametrahana tamin’ny toerany ny Governoran’Analanjirofo, Randriamanantena Marcellin, ny alakamisy 30 jolay lasa teo.

Toy ny niangarana ity olom-boatendry iray ity raha ampitahaina amin’ireo governoram-paritra roa lahy izay notendrena niaraka taminy nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 23 jolay lasa teo.

Nidina tany Mahajanga ny filoham-pirenena mivady telo andro taorian’izay. Anisan’ny anton-dian’izy ireo tamin’izany ny fanatrehana ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny faritra Boeny mpisolo toerana vonjimaika sy ny Governora voatendry Andriantomanga Mokhtar Salim.
Narahan’ny fametrahana ity farany tamin’ny toerany tamin’ny fomba ofisialy izany.

Nalaza tamin’izay fa karazan’ny nanao pi-maso haingana tamin’ny zanak’i Mahajanga, izay tafintohina noho ny disadisa teo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny governemanta, ny filoha tamin'ny raharaha Pr AHMAD Ahmad minisitry ny fahasalamana, izay zanaky Mahajanga.

Noheverina ho toy ny famonoan’afo ny anton-diany tany an-toerana, ankoatra ny resaka fahamehana ara-pahasalamana. Ny minisitry ny fahasalamana rahateo tsy nentiny anisan'ny delegasionina.

Ny ampitson’io, izany hoe ny faha-27 jolay, dia nihazo ny renivohitry ny Faritra DIANA tany Antsiranana ny filoha mivady mba hametraka tamin’ny toerany ny Governora Daodo Arona Marisiky.

Maro ny zanaky ny faritra sy ny fikambanana any an-toerana no niantso ny filoha mba hanafaingana ny fanendrena ny governora andro vitsy talohan’izay.

Tao anefa ireo nilaza fa misy fifandraisany amin’ny fanendrena izay mety ho mpikambana vaovao eny anivon’ny governemanta no tena nahamaika azy tany.

Ny faha-30 jolay dia tonga taty Fenoarivo Atsinanana ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, Randriamanantena Marcellin mivady.

Notolorana ny sezany avy hatrany taorian’ny fandraisana tamin’ny fomba fandraisana manaja ny fenitry ny fahasalamana.

Niteny izy tamin’izay fa nihaona manokana tamin’ny filoha. Tsy nilaza ny amin’ny antony tsy nahatongavan’ity farany taty an-toerana kosa izy.

Nihaona tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany tany Nosy Be ihany koa anefa ny filoha tamin’io andro io.

Tamin’izay no nilazàny fa azo eritreretina ny famerenana ny sidina iraisam-pirenena amin’ny ampahany izay hitondra mpizahatany vahiny manomboka amin’ny volana oktobra, arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana.

Anisan’ny faritra mitondra faisana noho ny Covid-19 ihany koa Analanjirofo. Na ny filohany vonjimaika teo aloha Tsaramandihy Honoré Paul aza dia nindaosin’ny fahafatesana noho io valan’aretina io.

Toa ireo faritra hafa, dia ao anatin’ny fotoam-piotazana voly fanondrana toy ny lavanila, jirofo…ny aty Analanjirofo amin’izao fotoana izao. Ambany dia ambany ny vidin'ny lavanila sy ny jirofo, ary betsaka aza no tsy misy manontany.

Ireo tantsaha mihiboka, tsy misy mpijery, tsy misy fanampiana, ilaina rehefa tonga ny fifidianana, adino rehefa sahirana.

Olom-bitsy, izay mazàna akaiky ny mpitondra ambony, ihany anefa no tena mitavana mivantana ny haren’ny faritra.

Balita

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.