Daodo Arona Marisiky: Nandray ny toerana maha Governoram-paritra DIANA azy

  • lundi, 27 juillet 2020 19:41
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tontosa androany teo amin’ny tokontany malalaky ny Faritra DIANA ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben'ny Faritra DIANA mpisolo toerana sy governoram-paritra DIANA, Daodo Arona Marisiky, izay vao notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy 23 jolay teo.

Niatrika izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nanazava ity farany fa solontenan’ny filoha, manapa-kevitra amin’ny asa fampandrosoana ny Faritra ny Governora.

Nanamafy ny fampanantenana nataony ny filoham-pirenena fa tsy maintsy hovitaina ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambanja-Antsiranana.

Nisy ihany koa androany ny fampitaovana ny CHU Tanambao, hiadiana amin’ny Covid-19.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.