Kalozafy Séraphine: Senatera vaovao handray ny toerany ao Anosikely

  • vendredi, 24 juillet 2020 10:22
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ny 3 jolay 2020 ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana no namoaka didy laharana faha 06-HCC/AR milaza fa hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimierandoholona taorian’ny nahafaty ny senatera Razafindrakoto Ravololonirina Emilie, izay nodimandry teto Antananarivo ny 22 jona 2020.

Ny andininy fahatelo amin’io didin’ny HCC io no manambara fa senatera Leader Fanilo voafidy tao amin’ny Faritany Antsiranana i Kalozafy Séraphine.

Nanentana ny olona ho mailo sy hanaja ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny coronavirus tsy hiparitaka ny tenany ny alarobia teo, tao Sambava.

« Distrika telo, amin’ny efatra mandrafitra ny Faritra SAVA, izao no efa ahitana Covid-19. Aoka mba tsy ho ny tahotra ny mpitandro ny filaminana no anaovana aro-tava fa ny areti-mandoza, satria tsy mizaha mpanambola na tsia ny Covid-19, fa izay voany dia tsy afa-bela » hoy i Kalozafy Séraphine.

Mampahery ireo mpiasan’ny fahasalamana mitily sy mitsabo ny marary ny tenany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.