Madagascar Airways: Tsy nomena fahazoan-dalana hanatitra teratany Kaomôriana atsy Comores

  • mardi, 21 juillet 2020 14:52
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana ny masoivohon’i Comores eto Madagasikara, fa tsy afaka nisidina hitatitra ireo teratany Kaomôriana hody any Comores ny fiaramanidin’ny kaompania malagasy Madagascar Airways fa tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny manampahefana eto an-toerana.

Anio talata 21 jolay no tokony nisy io sidina io saingy tsy tanteraka, ka tamin’ny alalan’io fanambarana io ny masoivohon’i Comores no miantso ireo mpandeha efa nisoratra anarana hanantona ny masoivohon’ny Madagascar Airways eny Ankorondrano Antananarivo hamerenana ny sarandalana efa naloan’izy ireo.

Hikaroka fiaramanidina hafa ny ambasady hitaterana ireo terataniny hody any Comores.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.