Gabon: Sambany no nisy vehivavy notendrena ho Praiminisitra

  • lundi, 20 juillet 2020 21:22
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notendren’ny filoha Ali Bongo Ondimba ho praiminisitra lehiben’ny governemanta Rtoa Rose Christiane Ossouka Raponda. Sambany no nisy fanendrena vehivavy ho amin’izany toerana izany teo amin’ny tantaran’i Gabon.

56 taona ankehitriny Rtoa Rose Christiane Ossouka Raponda. Ny taona 2012 izy no niditra tao anaty governemanta. Efa minisitry ny tetibola izy, ary farany teo dia minisitry ny fiarovana.

Fanarenana ny toekarena sy sosialy noho ny Covid-19 no isany asa lehibe miandry azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.