Antoko HVM: Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an’i Rahajason Harry Laurent

  • vendredi, 17 juillet 2020 11:13
  • Zakaria

Nanao fanambarana ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), ny 16 jolay 2020, ora vitsy taorian’ny nampidiran’ny fitsarana am-ponja an’i Rahajason Harry Laurent, minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana teo aloha, ary mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny HVM.

Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an’i Rahajason Harry Laurent ny HVM, mandrampiandry ny fotoam-pitsarana azy, mba tsy hampisy savorovoro ny firenena izay mandalo krizy ara-pahasalamana lalina amin’izao, araka ny fanambarana.

Miantso ny fitsarana mba hanao ny asany tsy misy teritery ho fitadiavana ny marina.

Aoka tsy ho raisina ho fanenjehana politika sy ho hery famoretana ny tsy fitovian-kevitra, hoy hatrany ny HVM tamin’ny alalan’i Rachidy Mohamed, Sekretera jeneraly nasionaly ; ity farany izay miantso ny Rodoben’ny mpanohitra hiara-hisalahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.