Antenimierandoholona: Manana vaomiera misahana ny « Levée de l’uminité parlementaire »

  • jeudi, 25 juin 2020 22:21
  • Zakaria

Nohavaozina ny vaomiera manonkana misahana ny fangatahana ny « Levée de l’uminité parlementaire » eo anivon’ny Antenimierandoholona. Tsy maintsy havaozina isan-taona ireo mpikambana ao anatin’io vaomiera io araka ny voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny vaomiera manokana misahana ny fangatahana ny « levée de l’uminité parlementaire ». Notanterahina androany alakamisy 25 jona 2020 izany.

Nijoro nanomboka ny 12 desambra 2019 ity vaomiera manokana ity, ary efa niasa 15 andro. Miisa 30 ireo mpikambana ao anatin’io vaomiera manokana io, ka ny 15 tompo-toerana ary ny 15 mpisolo toerana.

Ny vondrona parlemantera HVM, ny vondrona parlemantera « présidentielle » ary ireo vondrona sokajiana ho hafa no samy manolotra mpikambana 15 tompo-toerana, ary mpikambana 15 mpisolo toerana. 3 ny Filoha lefitra ary 3 ny mpitan-tsoratra.

Ny Loholona Andriamandavy VII Riana no Filohan’izany Vaomiera manokana izany.

Ireo mpikambana teo aloha ihany moa no nolanian’ireo Loholon’i Madagasikara handrafitra io vaomiera manokana io.
Noho ny fahabangan-toerana izay hita, satria nodimandry ny mpikambana iray, dia nanolotra ny Loholona Randriamanantena Niry Lanto ho mpikambana vaovao mpisolo toerana ny vondrona sokajy hafa.

Nambaran’Atoa Andriamandavy VII Riana fa mijoro araka ny lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakàna ity vaomiera ity, ary ny fananganana azy dia entina hiarovana ireo Loholona amin’ny fangatahana ny « Levée de l’imunité parlementaire », mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy na koa ny fanararaotam-pahefana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.