Lisi-pifidianana: Niampy 524 669 ny isan’ny mpifidy

  • jeudi, 21 mai 2020 15:00
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina fampiaingoana

Niroso tamin’ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana ho an’ny taona 2019-2020 ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny 15 mey 2020, araka ny voalazan’ny andininy faha-39 amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana (lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).

10 381 133 ny isan’ny mpifidy ao anaty lisi-pifidianana nofaranana ny 15 may 2020. Mpifidy vaovao nampidirina ny 524 669 amin’izy ireo.

443 119 ny isan’ny mpifidy noesorina taorian’ny famaranana vonjimaika ny faran’ny volana febroary 2020.

Tsiahivina fa 10 299 583 ny isan’ny mpifidy tao anatin’ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2019.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.