Madagasikara: Tompondaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

  • dimanche, 09 février 2020 16:01
  • Zakaria
  • Sary nomena

Ao Addis Abeba, renivohitr’i Etiopia hatry ny omaly tolakandro ny Filoha Andry Rajoelina handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony faha-33 ireo Mpitondra Fanjakana sy governemanta eo anivon’ny Vondrona Afrikanina.

Nandray anjara tamin’ny fihaonana manokana, nokarakarain’ny Filohan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), Atoa. Akinwumi Adesina, ny filoha Rajoelina vao nigadona tany an-toerana, fihaonana niarahana tamin’ireo mpitondra fanjakana sy governemanta izay niompana indrindra tamin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Nanambara ny filohan’ny BAD fa isan’ny tompondaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara noho ireo hetsika ataon’ny fitondram-panjakana indrindra any amin’ny faritra atsimo.

Nasian’ny filoha Andry Rajoelina tsindrim-peo manokana, tamin’ny lahateny nataony, ireo fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana eo amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny sakafo, ny fampidirana rano fisotro madio ary indrindra ireo tetikasa famokarana sakafo ara-pahasalamana.

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio 9 febroary ny Fihaonana an-tampony faha-33 ireo Mpitondra Fanjakana sy Governemanta ao amin’ny Vondrona Afrikanina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.