Volahaingo Marie Thérèse: Nangatahana ny hiverenany ao Tsimbazaza

  • samedi, 08 février 2020 22:19
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, amin’ny hiverenan’i Volahaingo Marie Thérèse handray ny toerany ao Tsimbazaza. Voapetraka ny 7 febroary 2020 araka ny firaketan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

Solombavam-bahoaka voafidy tao Bealanana, avy amin’ny antoko Malagasy Miara-Miainga i Volahaingo Marie Thérèse, no voatendry ho Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy ara-kasa tao amin’ny governemanta Ntsay Christian.

Andriamanana Josoa Iarintsambatra Rijasoa no minisitra vaovao notendrena, ny 29 janoary 2020, nasolo toerana an’i Volahaingo Marie Thérèse.

Afaka miverina mandray ny toerany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny depiote voatendry ho minisitra raha tsy mbola tapitra ny fepotoam-piasana nahavoafidy azy ho solombavam-bahoaka amin’ny fotoana tsy maha mpikambana amin’ny governemanta azy intsony.

Miandry ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny hiveren’i Volahaingo Marie Thérèse ao amin’ny Antenimieram-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.