Antsirabe: « Ben'ny tanàna mitovy fijery amin'ny mpitondra no misy izao »

  • samedi, 25 janvier 2020 19:18
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tontosa, androany, ny fametrahana samboady ny Ben'ny tanàna vaovao ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, Rasamimanana Honoré. Ny Minisitry ny serasera sy ny fifandraisana, Lalatiana Rakotondrazafy, no nisolotena ny fitondram-panjakana foibe nametraka azy tamin'izany toerana izany, notronin'ireo solombavambahoaka voafidy tato Vakinankaratra, ary isan'izany ny tompon-tanàna dia ny depiote Jean François Michel.

Nambaran'ity farany fa « tsy hijerena loko politika ny fampandrosoana an'Antsirabe ka dia vonona hifanome tanana izy ireo ». Nankasitrahan'ny minisitra izany ary nambarany fa « Ben'ny tanàna mitovy fijery amin'ny mpitondra no misy izao ka tsy afaka hiala olana amin'izay izy ireo ».

Ho fisantarana izany fiaraha-miasa izany dia nanolotra fiarabe mpitaona fako sy dabam-pako niisa folo, ho an’ny tanànan’Antsirabe, ny fanjakana foibe.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.