Fiainan'ny Antoko: Nanatontoso fihaonambe ny AVI

  • vendredi, 24 janvier 2020 17:15
  • Njaka
  • Sary Njaka

Notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy ny fihaonamben'ny antoko politika AVI, na ny Asa Vita no Ifampitsarana, izay notarihin'i andramatoa Norbert Lala Ratsirahonana.

Anisan'ny notsindrian'ny fihanambe fa tsy natao hialokalofan'ny jiolahy ny antoko AVI, ary mampanaja ny fanjakana tsara tantana.

Nanamarika ihany koa fa ao anatin'ny fifanajana sy fanampiana ny fitondrana no ampandroso ny Firenena, fa tsy ny fifanaratsiana sy ny fanalana baraka, na anatin'ny tsikera lava.

Nambaran'i Norbert Lala Ratsirahonana, tamin'ny lahateniny ihany koa fa tamin'izy nirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena dia hanafoana ny fisakafoanana atao isan-taona sy ny 26 jona eny amin'ny lapa-panjakana no anisan'ny teniny tamin'izany, izay amin'izao fotoana hitondran'i Filoha Andry Rajoelina izao vao tanteraka.

Tsy ilaina ihany koa, hoy izy, ny famoahana vola avy amin'ny talem-paritra hiantohana ireo ministra manao fitsidiham-paritra, izay iriana mba ho tanterahin'ny fitondram- panjakana amin'izao fotoana izao.

Nilaza ity farany fa hanohana hatramin'ny farany ny fitondram-panjakana, ary vonona ny hiara-hiasa sy hifanohana hatrany ny antoko AVI.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.