Venezoela: Raikitra ny sakoroka ao amin'ny Parlemanta, misy filoha roa

  • lundi, 06 janvier 2020 14:47
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nandritra ny fivorian'ny parlemanta venezoelianina no nijoroan'i Luis Parra ho filohan'ny Parlemanta any an-toerana, notapahan'ny teknisianina ny fanamafisam-peo, ka dia nampiasa mégaphone ny lehilahy nilazany ny vokatry ny safidin'ireo Solom-bavambahoaka.

Naneho ny fankasitrahana izany ny filoha Venezoela Nicolas Maduro, izay filoha lany tamin'ny fifidianana fa tsy neken'ny mpanohitra, sy ireo firenana 60 hafa.

Tetsy an-kilany, dia nilaza fa voafidin'ireo Solombavam-bahoaka ho filohan'ny Parlemanta ihany koa i Juan Guaido, izay mpifaninana tamin'i Nicolas Maduro tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Venazoela, izay tohanan'ny firenena amerikanina, sy eoropeanina ho filoha mpisolo toerana vonjy maika, izay nanongana an'i Nicolas Maduro.

Nianika fefy ny lehilahy hiditra an-keriny tao amin'ny parlemanta, fa nosakanan'ireo miaramila mpiambina.

Ny fiandohan'ny volana marsa 2019, roa volana taorian'ny nitondrany dia nisafidy hanohana an'i Juan Guaido ny Filoha malagasy Andry Rajoelina

Manoloana ny krizy politika any Venezoela eo amin'ny filoha voafidy Maduro, nefa tsy eken'i Amerikanina sy ireo firenena 30 tandrefana, dia nisafidy hanohana an'i Juan Guaido, nanandran-tena ho filoha vonjy maikan'i Venezoela ny Filoha malagasy, Andry Nirina Rajoelina.

Ny Rosianina, ny Sinoa, ny Iranianina moa dia manohana ny tsy hitsabahan'ny firenena vahiny amin'ny raharahan'i Venezoela, izay anisany manana tahirin-tsolika maro indrindra manerantany.

Ny Amerikanina dia nikasa ny hidaroka ara-tafika an'i Venezoela, ny Rosianina etsy andaniny efa nandefa fitaovam-piadiana nokleary any an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.