Magro Behoririka: Hitohy rahampitso ny hetsiky ny mpitaky ny marina

  • vendredi, 03 janvier 2020 22:53
  • Zakaria

Hetsika voalohany amin’ity taona 2020 ity etsy amin’ny Magro Behoririka - Antananarivo, no hataon’ireo mpitaky ny marina tamin’ny fifidianana kaominaly notanterahina ny 27 novambra 2019.

« Tandindinin-doza ilay fahamarinana », hoy ny depiote Fidèle Razarapiera ka « mitaky izahay avoahy ny marina » raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Bel’Air misy ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara androany.

Nanamafy izany i Rina Randriamasinoro, kandidan’ny Tiako i Madagasikara tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananrivo Renivohitra. « Porofoy aminay fa nandeha tamin'ny fahamarinana iny fifidianana iny », hoy ity farany.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.