Andranomavo-Distrikan’i Soalala: Nisy ny famenoana bileta tokana mialoha, ny vata mangarahara

  • samedi, 30 novembre 2019 19:06
  • Zakaria

Nahazo tatitra ny CENI fa nisy ny famenoana mialoha ny vata mangarahara nataon’ireo mpikambana miisa 5 tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny Biraom-pifidianana iray ao amin’ny Fokontany Antsirabe, Kaominina Andranomavo, Distrikan’i Soalala. Tra-tehaky ny mpifidy io hosoka io. Karohin’ny Zandarimariam-pirenena ireo mpikambana miisa 5 nahavaonon-doza ireo amin’izao. Tsy afaka nanohy nanatontosa latsa-bato tao amin’io Biraom-pifidianana io.

Tao amin’ny Fokontany Taperipia, Kaominina Tsaraiko, Distrikan’i Betroka indray dia nisy ny fifandisoan’ny bileta tokana tamin’ireo tokony ho any amin’ny Kaomininina Beapombo II. Nisy ny fepetra noraisina nanolo izany tamin’ireo bileta tokana fiandry saingy tsy misy ny vaovao momba ny fizotry ny latsabato tany an-toerana, tsy mbola tonga eny amin’ny SRMV ny vokatra.

Ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no manapa-kevitra mikasika izay ho tohin’ny fifidianana tao amin’ireo Kaominina roa ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.