Politique

    • samedi, 11 juillet 2020 13:05
    • Tigre
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Miofana momba ny fitantanana ireo tompon'adraikitra

    Mahatsapa ny Governora Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore fa ilain’ny mpiasa rehetra manana andraikitra, na ny avy amin’ireo fitaleavana (DID, DAGR, DAFC), na ny ao amin’ny Kabinetra, ny mahafehy ny resaka « FINANCES LOCALES ». Ka nokarakaraina ny fihaonana tamin’ny ekipan’ny DRI na ny Direction Régionale des Impôts tarihin’ny Talem-paritra Atsinanana RAZAFIHANITRA Michel. Izany dia mba hanatevenana ny traik’efa sy fahaiza-manao efa misy. Ilaina tokoa ny hahafehezana ny ambainday sy tontolon’ny fampidiran-ketra rehetra, indrindra ny mahakasika ny Faritra amin’ny maha Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 juillet 2020 11:03
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Andry Rajoelina: « Salama tsy mitondra ny otrikaretina coronavirus ary tsy nivoaka ivelan’i Madagasikara »

    Namoaka taratasy fampahafantarana ny rehetra ny Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny talata 07 Jolay 2020 mandiso « ny vaovao tsy marina sy ny fanakorontanana ny saim-bahoaka » niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy sy ny tranokalam-pifandraisana. Manambara ny Fiadidiana ny Repoblika fa « salama tsara ary tsy mitondra ny otrikaretina coronavirus velively ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina ». « Tsy nivoaka ivelan’i Madagasikara izy hatramin’ny fiandohan’ny krizy ara-pahasalamana ka hatramin’izao, fa miara-miatrika ny olana ary eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany », hoy ny fampahafantarana an-taratasy naparitaka tamin’ny mpanao gazety.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 05 juillet 2020 20:56
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Kanye West: Nilaza ity mpihira rap ity fa ho kandida filoham-pirenena any Etazonia

    Tamin’ny tambazotra sosialy no nanaovan’i Kanye West fanambarana, ny sabotsy 4 jolay, fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena any Etazonia ny tenany. Hifaninana amin'ny filoha amperinasa Donald Trump izany ity farany. Mpihira rap sady mpanefoefo, mpitantana trano famokarana ary vadin’ilay mpilalao sarimihetsika Kim Kardashian i Kanye West.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 05 juillet 2020 19:47
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Frantsa: Hitsangana rahampitso ny governemanta Jean Castex

    Hambara ny alatsinainy 6 jolay ireo minisitra handrafitra ny governemanta Jean Castex. Hisy mpikambana roapolo eo izy io raha ny fantatra hatreto. Mbola manohy ny fakan-kevitra amin’ireo ankolafin-kery samihafa ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny praiminisitra Jean Castex androany. Ny zoma 3 jolay teo no nanendrena an’i Jean Castex ho praiminisitra rehefa nametra-pialana i Edouad Philippe noho izy lany Ben'ny Tanàna Le Havre. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 03 juillet 2020 22:01
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Rivo Rakotovao: Mitaky ny hisian’ny tena mangarahara eo amin’ny fitantana ny volam-panjakana

    Nifarana tamim-pomba ofisialy androany zoma 03 jolay 2020 ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierandoholona ho amin’ity taona 2020 ity, rehefa naharitra enimpolo andro, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 84 ny Lalampanorenana. Nandritra ny kabary nataony no nanambara ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa « tokony hahay hisafidy izay tena laharam-pahamehana ny fitondram-panjakana amin’ny fandrosoana vahaolana, na eo amin’ny lafiny ara-tsosialy , ara-ekonomika , ara-pitsaboana sy ho fisoroana, hiatrehana izao valan’aretina izao, mba hifanakaiky amin’ny hetahetan’ny vahoaka izany ». Nohamafisiny ihany koa ny fanaraha-maso ny fampiasana an’ilay vola natao fiandry hiatrehana izao valan’aretina izao « mba hisian’ny tena mangarahara tanteraka eo amin’ny fitantana ny volam-panjakana » izay tsy maintsy atao tatitra any amin’ny Vahoaka.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 03 juillet 2020 21:24
    • Zakaria
    • Photo fournie

    Diplomatie: Visite d’adieu de l’Ambassadeur de Chine

    Au terme de sa mission, en tant qu’Ambassadeur résident de la République Populaire de Chine à Madagascar, Mme Yang Xiaorong a rendu ce jour une visite d’adieu auprès du Premier ministre Ntsay Christian. A l’instar des reconnaissances réciproques quant à l’excellence de la relation ainsi que de la coopération permanente entre les deux pays et leurs peuples respectifs, son entretien avec le Chef du gouvernement a également permis de passer en revue les domaines de ladite coopération, notamment la santé publique, l’eau, l’agriculture, les infrastructures, les routes, l’énergie, le sport, et la culture. De tout ce qui y a été discuté, les deux parties ont partagé l’optique de raffermissement de la relation bilatérale.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 juillet 2020 12:06
    • Tigre
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Mazava ny làlan-kombàna

      100 andro teo amperin'asa ny Goverinora RAFIDISON Richard Théodore sy ny ekipany.Miditra koa amin'ny enim-bolana faha-2 izay tsy maintsy hanatanterahana ireo asa sy vinan'ny taom-piasana 2020. Nandritra izay 03 volana niatrehana ny ady tamin'ny aretina Covid-19 izay dia sady nosakelehina ihany koa ny fiomanana amin'ny asa fampandrosoana.Fanamby lehibe no apetraka amin'ity enom-bolana faharoa na "deuxième semestre" ity.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 juillet 2020 11:32
    • Zakaria

    Governemanta: Nesorina ny Sekretera Jeneraly lefitra

    Nofoanana nandritra filankevitry ny minisitra ny 1 jolay 2020 ny didim-panjakana nanendry ny Sekretera Jeneraly lefitra eo anivon’ny Governemanta. Nosoloina tamin’ny herinandro ihany koa ny Talen’ny kabinetra sivily ny Praiminisitra, ka jeneraly no mitana io andraikitra io ankehitriny.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 juillet 2020 11:18
    • Zakaria

    Antenimierandoholona: Nankatoavina ny tolo-dalàna mifehy ny zom-pirenena Malagasy

    Lany tamin’ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina, ny Alarobia 01 jolay 2020, ny tolo-dalàna laharana faha 001/2019 manova sy mameno andininy sasatsasany ao amin’ny hitsivolana laharana faha 60-064 tamin’ny 22 jolay 1960, izay novain’ny lalàna laharana faha 61-052 tamin’ny 13 desambra 1961, novain’ny lalàna laharana faha 62-005 tamin’ny 6 jona 1962, novain’ny hitsivolana laharana faha 73-049 tamin’ny 27 aogositra 1973, novain’ny lalàna laharana faha 95-021 tamin’ny 18 septambra 1995, novain’ny lalàna laharana faha 2016-038 tamin’ny 25 janoary 2017, mikasika ny fehezan-dalàna mifehy ny zom-pirenena malagasy, izay natolotry ny Loholona Abdirassoul Mohamed Mourad, Kestiora Voalohan’ny Antenimierandoholona, sy ny Loholona Rakotomanana Honoré.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 juillet 2020 11:11
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Frantsa: Voaheloka higadra 5 taona ny Praiminisitra frantsay teo aloha François Fillon

    Nandritra ny fampielezan-kevitra ho filoham-pirenena frantsay ny taona 2017, izay noheveran'ny maro fa andresy ny kandidan'ny antoko ankavanana François Fillon, praiminisitra tamin'ny andron'ny Filoha Nicolas Sarkozy, dia nipoitra an-gazety, Canard enchaîné, ny raharaha Penelope, vadiny. Voalaza tamin'izany fa assistante parlementaire n'ingahy depiote François Fillon ny vadiny Penelope Fillon ny taona 1998-2007 sy ny taona 2012, nefa tsy miasa momba izany akory izy, nefa mandray karama 500 000euro isan-taona, ary mpanolo-tsaina gazety mandray 100 000euro isan-taona. Raha ny kajy navoakan'ity gazety ity dia mitotaly 813 440euro ny vola noraisin'i Penelope Fillon, ary ny zanany 2 ihany koa dia nandray 84 000euro ny taona 2005 sy 2007, satria dia nisoratra ho assistants parlementaires andrainy avokoa fony izy senatera.
    Lire la suite ...
Page 9 sur 136