Politique

    • vendredi, 24 juillet 2020 10:22
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Kalozafy Séraphine: Senatera vaovao handray ny toerany ao Anosikely

    Ny 3 jolay 2020 ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana no namoaka didy laharana faha 06-HCC/AR milaza fa hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimierandoholona taorian’ny nahafaty ny senatera Razafindrakoto Ravololonirina Emilie, izay nodimandry teto Antananarivo ny 22 jona 2020. Ny andininy fahatelo amin’io didin’ny HCC io no manambara fa senatera Leader Fanilo voafidy tao amin’ny Faritany Antsiranana i Kalozafy Séraphine.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2020 22:42
    • Zakaria

    Filankevitry ny Minisitra: Niampy telo ireo Governoran’ny Faritra voatendry

    Andiany fahaefatra ireo Governoran’ny Faritra voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, notanterahina tamin’ny alalan’ny « visioconférence » androany alakamisy 23 jolay 2020. - Faritra Analanjirofo: Dr Randriamanantena Marcellin - Faritra DIANA: Marisiky Daodo Arona - Faritra Boeny: Andriantomanga Mokhtar
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 juillet 2020 14:52
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Madagascar Airways: Tsy nomena fahazoan-dalana hanatitra teratany Kaomôriana atsy Comores

    Nanao fanambarana ny masoivohon’i Comores eto Madagasikara, fa tsy afaka nisidina hitatitra ireo teratany Kaomôriana hody any Comores ny fiaramanidin’ny kaompania malagasy Madagascar Airways fa tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny manampahefana eto an-toerana. Anio talata 21 jolay no tokony nisy io sidina io saingy tsy tanteraka, ka tamin’ny alalan’io fanambarana io ny masoivohon’i Comores no miantso ireo mpandeha efa nisoratra anarana hanantona ny masoivohon’ny Madagascar Airways eny Ankorondrano Antananarivo hamerenana ny sarandalana efa naloan’izy ireo. Hikaroka fiaramanidina hafa ny ambasady hitaterana ireo terataniny hody any Comores.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 juillet 2020 21:22
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Gabon: Sambany no nisy vehivavy notendrena ho Praiminisitra

    Notendren’ny filoha Ali Bongo Ondimba ho praiminisitra lehiben’ny governemanta Rtoa Rose Christiane Ossouka Raponda. Sambany no nisy fanendrena vehivavy ho amin’izany toerana izany teo amin’ny tantaran’i Gabon. 56 taona ankehitriny Rtoa Rose Christiane Ossouka Raponda. Ny taona 2012 izy no niditra tao anaty governemanta. Efa minisitry ny tetibola izy, ary farany teo dia minisitry ny fiarovana. Fanarenana ny toekarena sy sosialy noho ny Covid-19 no isany asa lehibe miandry azy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 juillet 2020 17:12
    • Zakaria
    • Photo Archives

    Gouvernance de l’environnement: L’audacieux assainissement de l’administration

    Finalement, le gouvernement actuel a osé prendre le chemin vers l'assainissement de l’ONE (Office National pour l’Environnement). A commencer par le limogeage de sa Direction Générale. Une décision que le précédent ministre en charge de l’Environnement et du Développement Durable–(MEDD) n’a jamais osé prendre malgré les suspicions en mai 2019 sur les délits d’initiés, trafic d’influences et autres affaires douteuses, au sein de la Direction Générale, à peine un mois après sa prise de fonction à la barre de l’ONE, et relatées preuves à l’appui dans les journaux et les réseaux sociaux. Faut-il rappeler ici, qu’en mai 2019, des personnels de l’ONE sous la bannière de « Mpiasa TongaSaina » ont sollicité sur les réseaux sociaux le départ du DG à cause de cette affaire qui a fortement entaché l’image de l’institution. Une demande exaucée par le gouvernement et le Président aujourd’hui.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 juillet 2020 11:13
    • Zakaria

    Antoko HVM: Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an’i Rahajason Harry Laurent

    Nanao fanambarana ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), ny 16 jolay 2020, ora vitsy taorian’ny nampidiran’ny fitsarana am-ponja an’i Rahajason Harry Laurent, minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana teo aloha, ary mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny HVM. Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an’i Rahajason Harry Laurent ny HVM, mandrampiandry ny fotoam-pitsarana azy, mba tsy hampisy savorovoro ny firenena izay mandalo krizy ara-pahasalamana lalina amin’izao, araka ny fanambarana. Miantso ny fitsarana mba hanao ny asany tsy misy teritery ho fitadiavana ny marina. Aoka tsy ho raisina ho fanenjehana politika sy ho hery famoretana ny tsy fitovian-kevitra, hoy hatrany ny HVM tamin’ny alalan’i Rachidy Mohamed, Sekretera jeneraly nasionaly ; ity farany izay miantso ny Rodoben’ny mpanohitra hiara-hisalahy.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 juillet 2020 19:11
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Rolly Mercia: Tazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora

    Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Antanimora io hariva io Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia, minisitry ny serasera teo aloha ary mpikambana amin’ny antoko HVM. Voarohirohy amin’ny hetsika nataona andian’olona nandoro kodiarana sy nilanja sorabaventy mitaky ny amoahana am-ponja an’i Berija Ravelomanantsoa, izay nitranga teo Ambohipo ny marainan’ny alatsinainy 13 jolay 2020 lasa teo, ity minisitry ny serasera teo aloha ity. Lehilahy efatra no voasambotry ny Polisy nandritra io hetsika tamin’ny Alatsinainy io. Nentina tao amin’ny Commissariat Central Tsaralalana izy ireo, natao famotorana. Nandritra ny famotorana no voalaza fa nanonona an’i Rolly Mercia ho anatin’iny hetsika iny ny iray tamin’izy efa-dahy ireo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 juillet 2020 15:26
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Tonizina: Nametra-pialana ny praiminisitra Elyes Fakhfakh

    Ady tombontsoa no voalaza fa ao ambadiky ny naneren’ny filoha Kaïs Saïed an’i Elyes Fakhfakh hametra-pialana tsy ho praiminisitra. Ny alarobia 15 jolay ity farany no nanolotra ny taratasy fametraham-pialany tamin’ny filoha toniziana, rehefa nitarika governemanta nandritra ny dimy volana.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 juillet 2020 14:15
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Donald Trump: Nosoloiny ny talen’ny fampielezan-keviny

    Nanova ny talen’ny fampielezankeviny i Donald Trump, efa-bolana tsy hahatongavan’ny fifidianana filoham-pirenena amerikana. Bill Stepien, izay lefitry ny talen’ny fampielezan-kevitra nahazoan’i Donald Trump ny fandresena ho tamin’izao taom-piasana voalohany izao no notendreny ho tompon-toerana. Tazominy ho mpanolontsaina akaiky azy hiatrehany ny fifidianana amin’ny novambra kosa i Brad Parscale, talen’ny fampielezan-keviny teo aloha.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 juillet 2020 08:16
    • Tigre
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Mikendry ny hampahombiazana ny taom-piasana 2020 ny Governora RAFIDISON Richard Théodore

    Fanamby ho an'ny Faritra Atsinanana, ny hampifanidran-dàlana ireo asan'ny Fitaleavana sy Sampandraharaha tsirairay amin'ireo vinan'ny Fitondram-panjakana (Politique Générale de l'État, Plan d'Émergence pour Madagascar...). Ny Service Régional de l'économie et du Plan moa no miantoka ny famenoan'ny antonta-taratasy fanaraha-maso sy fanaovana tatitra isaky ny enim-bolana (STD, canevas), io ilay "Système Régional Intégré de Suivi-Évaluation na SRISE".
    Lire la suite ...
Page 8 sur 136