Politique

    • jeudi, 03 septembre 2020 21:57
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Rtoa Kalozafy: Nosalorana samboady maha Loholon’i Madagasikara

    Notanterahina androany alakamisy 03 septambra 2020, teto amin’ny Lapan'ny Antenimierandoholona, ny lanonana fametrahana samboady an-dRtoa Kalozafy Loholon’i Madagasikara avy any amin’ny Faritanin’Antsiranana. Izy moa dia nisolo toerana an-dRtoa Razafindratovo Ravololonirina Emilie, nodimandry teto Antananarivo ny 22 jona 2020. Ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, notronin’ireo mpikambana ao amin'ny birao maharitra sy ireo Loholon’i Madagasikara no nanatanteraka izany. Nanatrika ny fotoana ny fianakavian-dRtoa Kalozafy, ary teo ihany koa ny mpiasa eto anivon’ny Antenimierandoholona.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 septembre 2020 21:48
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Razanamahasoa Christine: Nanao fanamarihana mikasika ny fomba fiasan’ny Vaomiera Ikambanana Isasahana

    Nofaranana androany alakamisy 03 septambra 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena, raha nanomboka ny 26 aogositra lasa teo. Nandinihan’ny Vaomiera Ikambanana Isasahana ny Volavolan-dalàna laharana 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020 ity fivoriana ity. Nanao fanamarihana mikasika ny fomba fiasan’ny Vaomiera ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine tamin’ny lahateny famaranana. Nohazavainy fa tsy mitovy ny fomba fanapahan-kevitra eo amin’ny Vaomiera tsotra sy ny Vaomiera Ikambanana Isasahana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 septembre 2020 21:40
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Kaominina Antananarivo Renivohitra: Mpiasa sivily 2 sy Polisy monisipaly 2 natsahatra tamin’ny asany

    Mpiasa 4 teo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no niakatra « Conseil de discipline ». Mpiasa sivily ny 2, ary Polisy monisipaly ny 2. Diplaoma hosoka, tsy fiakarana any ampiasana maharitra, ary fahamamoana am-pitondrana fiara no nanenjehana azy ireo. Tapaka fa najanona avy hatrany izy 4. « Miezaka hatrany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba ho mahitsy sy hampanara-dalàna ny Tanànantsika ho an'ny tombotsoa iombonana », hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 septembre 2020 21:00
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Fankatoavan-dalàna: Kihanin’ny Parlemantera ny Praiminisitra

    Nanao fanambarana ny « Collectif des Parlementaires pour la restauration de l’Etat de Droit, de la Démocratie et de la bonne Gouvernance » eto Madagasikara manoloana ny ambaran’izy ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta sy ny Filohan’ny Antenimiera-pirenena izay nanao amboletra tamin’ny fepetra nentina nankatoavana ilay PL 001/2020, tao anatin’ny tsy fanajana ny tatitry ny vaomiera ikambanana, isasahana (Commission Mixte Paritaire).  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 septembre 2020 20:50
    • Zakaria
    • Sary fanehoana

    Tosika Fameno: “Volan’angatra” hoy ny mpahazo tombontsoa sasany

    “Inona no irarahainao izay volan’angatra any e!?” Izay no navalin’ny raim-pianakaviana mamo ny vadiny, izay nanontany azy mikasika ny nanaovany ny Tosika Fameno mitentina 100 000 Ariary voarainy. Volan’angatra no iantsoan’ny mpahazo tombontsoa sasany ny vola fanampiana nozarain’ny fanjakana ho fanampiana ireo sokajin’olona marefo eo anatrehan’ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19. Tany Moramanga no nivoahan’io fitenenana io, araka ny nambaran’ny Mpitandrina iray nandritra ny fotoam-pivavahana ny alahady lasa teo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 septembre 2020 06:28
    • Tigre

    Fahasalamana : Ny mpitondra mitsabo tena any ivelany hatrany

    Hatreto aloha dia tsy misy mpitondra tena te hametraka politika ara-pahasalamana isitrahan'ny rehetra. Porofon'izany ny tsy fametrahana sy nanararaotana izao fotoam-pihibohana sy hamehana ara-pahasalamana izao nanamboarana tsara ireo hopitaly, CSB isam-paritra. Ny mpitondra ambony mbola mande mamonjy hopitaly any ivelany hatrany, ary ny hetra aloan'ny Malagasy no miantoka azy. Any indray ny sasany mbola manangana ny sampan'ny antokony. Vao tamin'ny zoma sy sabotsy teo, nanao fizaham-pahasalamana tany La Réunion indray ny mpitondra ambony iray. Oviana vao tena hipetraka izany hoe sécurité sociale ka samy ahazo fahasalama iantohan'ny fanjakana manontolo ny rehetra ? Patrick 
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 septembre 2020 18:36
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Fandaniana volavolan-dalana: Naneho ny heriny ny IRD maro an’isa ao Tsimbazaza

    Raha nivory ireo mpikambana anatin’ny CMP ny zoma 28 aogositra lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena sy ny alatsinainy 31 aogositra teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, dia niseho hatrany ny tsy fisian’ny fitovian-kevitra teo amin’ny Solombavam-bahoaka sy ny Loholona. Nanapaka ny Governemanta fa hanao fandinihina fanintelony sady farany ny Antenimieram-pirenena ny 01 septambra 2020.Rehefa nivory ny Solombavam-bahoaka dia 109 tamin’izy ireo no nandany tsy nasiam-panovana ilay volavolan-dalàna laharana 001/2020. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 septembre 2020 18:34
    • Zakaria
    • Photo AN

    Adoption du projet de loi N°001/2020: La majorité présidentielle fait parler d’elle

    La Commission Mixte Paritaire (CMP) a été provoquée par le Gouvernement suite à un désaccord entre l’Assemblée nationale et le Sénat, après deux lectures par chaque Chambre, du Projet de Loi N°001/2020 du 26 février 2020. Rappelons que ce Projet de Loi est relatif à la ratification de trois Ordonnances : l’Ordonnance relative aux régimes générale des élections et des référendums, de l’Ordonnance relative au fonctionnement du Sénat ainsi qu’aux modalités d’élection et de désignation des Sénateurs de Madagascar, et de l’Ordonnance portant Code minier. La CMP s’est réunie à deux reprises, le vendredi 28 août à l’Assemblée nationale et le lundi 31 août dans les locaux du Sénat, réunions pendant lesquelles ses membres ne sont pas parvenus à un consensus. Le Gouvernement a saisi l’Assemblée nationale pour une troisième et dernière lecture dudit projet de loi, lequel a ensuite été adopté à l’unanimité par les Députés.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 septembre 2020 08:36
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Commission mixte paritaire: Nijabaka ny Praiminisitra

    Ny Antenimierandoholona no nampiatrano ny fivorian’ny Vaomiera iraisana isasahana na « Commission mixte paritaire », ny depiote no nanao tatitra dia nanapa-kevitra ny praiminisitra, ary nolanian’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny ambongadiny ny volavolan-dalàna laharana faha 001/2020, izay nananganana ilay Vaomiera. Gaga ny rehetra. Fisalovanan’andraikitra sy fandikana fitsipika ankitsirano no nataon’ny tao Tsimbazaza nanao tatitra tamin’ny anaran’ny Vaomiera, hoy ny sasany. Fanonganam-panjakana tsotra izao, hoy indray ny hafa. Manoloana ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny Governemanta amin’ny fanohizana ny fandaniana ilay volavolan-dalàna laharana faha 001/2020 dia nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao ny talata 01 septambra 2020.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 septembre 2020 23:39
    • Zakaria
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    AAA Andranomanelatra: Nakaton'ny fanjakana ny hariva teo

    Ronono sy sakafo maro vita amin'ny ronono no mihitsoka, ary ahiana ho simba ao amin'ny AAA Andranomanelatra, vokatry ny fanakatonana nataon'ny fanjakana ny orinasa. Mpiasa maro no tsy afaka hiasa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 3 sur 136