Politique

    • dimanche, 13 septembre 2020 12:20
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Fanoherana: Mijoro ny RMDM Alaotra Mangoro

    Tafajoro ny sabotsy 12 septambra ny Rodoben’ny Mpanohitra na RMDM Alaotra Mangoro. Avy amin’ny antoko HVM no voafidy hitarika.Nanatrika ny fananganana izany taty Ambatondrazaka ny birao RMDM Toamasina.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 septembre 2020 13:32
    • Zakaria
    • Sary fanehoana nindramina

    Oniversitem-panjakana: Misedra olana ara-tany avokoa

    Nanao fanambarana ny SECES sampana Antananarivo taorian’ny loza nitranga tao Maninday, Oniversiten’i Toliara ny 10 septambra 2020 ka nahamay an’ireo tranovondro ipetrahan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. amin’ny ankapobeny. Mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana amin’ny fisian’ny olana ara-tany ao amin’ny Oniversiten’i Toliara sy eo anivon’ireo Oniversite rehetra manerana ny Nosy, ary ireo Foibem-pikarohana Nasionaly ny SECES sampana Antananarivo manoloana izao fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny Oniversiten’i Toliara izao.
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 septembre 2020 00:36
    • Tigre

    Loi Portant refonte du régime des Fondations à Madagascar

    LOI N° 2004-014Portant refonte du régime des Fondations à Madagascar. Fondation : Personne morale de droit privé dont la création résulte, d'une part d'un acte juridique par lequel une ou plusieurs personnes physiques ou morales affectent de manière permanente des biens, droits et ressources pour la réalisation d'objectifs d'intérêt général et, d'autre part de la reconnaissance d'utilité publique par le Gouvernement.La Fondation ainsi définie entre dans la catégorie des Fondations reconnues d'utilité publique. Article 30. Le capital initial de la Fondation ne peut être inférieure à six milliards de francs malagasy ou (1 200 000 000 Ariary). Ce montant sera révisé en tant que de besoin par décret pris en conseil de Gouvernement. Des donations ultérieures peuvent être reçues etincorporées au capital initial de la Fondation, telle que définie à l'article 2.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 septembre 2020 10:19
    • Tigre

    Fondation « ANDRY RAJOELINA »

    DECRET N°2019-2 115Portant reconnaissance d’utilité publique dela Fondation « ANDRY RAJOELINA » Vu les pièces du dossier présenté ;Sur proposition du Ministre de l’Intérieur et de la Décentralisation,En Conseil du Gouvernement, D E C R E T E:Article premier.- En application des dispositions de la loi n°2004-014 du19 août 2004 susvisée, la Fondation « ANDRY RAJOELINA », sise àl'Immeuble Arena Ivandry, Antananarivo, est reconnue d’utilité publique. Article 2.- La Fondation « ANDRY RAJOELINA » est un auxiliaire despouvoirs publics malgaches dans le cadre de ses actions en matière de santé,éducation, environnement, social et économique. Fait à Antananarivo, le 20 novembre 2019Par le Premier Ministre, Chef du Gouvernement,Christian NTSAY
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 septembre 2020 21:19
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Nosy Malagasy: Nanaitra ny Loholon’i Madagasikara haneho hevitra ireo antoko politika

    Nihaona tamin’ny Filoha Rivo Rakotovao teo amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, ny alarobia 09 septambra 2020, ny antoko Otrikafo, ny Komba, ny Antoko Politika Madio, ny ALEFA, ny Front de Libération Nationale, ny SOLIDE ary ny olom-pirenena tsotra. Nitondra ireo soso-kevitra entina hanairana ny Loholon’i Madagasikara haneho hevitra manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Loholona frantsay mikasika ireo Nosy Malagasy izy ireo. Ao anatin’izany ny hametrahana ho lahadinika maika amin’ny fivorian’ny Antenimierandoholona malagasy ny valin’io fanapahan-kevitra io, ny tokony hananganana vaomiera manokana marolafy afaka mijoro sy ho sarotiny mafy amin’ireo Nosy ireo, ary ny tokony hanatevenana ny fangatahana fanohanana avy amin’ny firenena na vondrom-paritra ivelan’ny fanjakana malagasy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 septembre 2020 21:14
    • Zakaria

    Fifidianana Loholona: « Teren-ko masaka » hoy ny KMF/CNOE

    Madiva hifarana ny fotoam-piasan’ny Antenimierandoholona. Aoka tsy hirotorotoana ny fanatanterahana ny fifidianana Loholona, hoy ny KMF/CNOE satria volana mey 2021 vao tena hiditra hiasa ireo Parlemantera vaovao. Solontenan’ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no ho fidiana ka ho fanarahana ny fenitra ara-demokratika dia takiana amin’ireo mpisehatra, hoy ny fanambarana nataony ny famoahana ny valin’ireo fitoriana tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo, satria efa mihoatra loatra ny « fe-potoana » voalazan’ny lalàna. Takian’ny KMF/CNOE ihany koa ny fanatanterahana ireo fifidianana tokony haverina sy ireo izay tsy mbola nahavita fifidianana mihitsy mba hahafahan’ireo Kaominina ireo hisitraka ny zony avy, ahafahany hifidy.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 septembre 2020 21:12
    • Balita
    • Sary nindramina

    Fifidianana loholon’i Madagasikara: Ahiana ho sandaina lafo indray ireo mpifidy

    Tapaka fa ho tanterahana ny 11 desamba ho avy izao ny fifidianana ny loholon’i Madagasikara. Namoaka ny didim-panjakana manainga ny mpifidy hanefa ny adidiny mifanandrify amin’izany ihany koa ny governemanta. Ny mpanolotsain’ny tanàna sy ny ben’ny tanàna ary ny governora (izay misahana vonjimaika ny andraikitry ny lehiben’ny faritra) no mandrafitra ny kolejin’ny mpifidy vaventy eran’ny Nosy. Anisan’ireo mpifidy ihany koa, araka ny voafaritry ny lalàna ihany koa, ny mpanolotsaim-paritra sy ny lehiben’ny Faritany ary ny mpanolotsaim-paritany.Tsy mbola mipetraka eo amin’ny toerany anefa izy ireo hatramin’izao, raha didian'ny Lalampanorenana ho fidiana avokoa ireo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 septembre 2020 15:56
    • Super User
    • Sary nindramina

    Fampandrosoana ifotony: Mijoro ny « Komity miaro ny soa iombonana »

    Nitsangana tao anatin’ny vanimpotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana ny « Komity Miaro ny Soa Iombonana » (KMSI), noho ny fitarainan’ny Fokonolona momba ny tsy fanarahana ny rafitra misy eny anivon’ny Kaominina sy ny Fokontany. Mahatsapa ny Komity fa mandeha ila ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka tsara ifampiresahana. Tonga nitondra ny fitarainan’ny Vahoaka eny anivon’ny Fokontany teo anivon’ny Antenimierandoholona izany Komity izany ny alarobia 09 septambra 2020.
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 septembre 2020 20:49
    • Christophe Bélier
    • Photo Archives

    CVO+ : Sur le point de circuler

    Les observateurs sont impatients de voir si les critiques à l’égard de l’efficacité du Covid-Organics ou CVO auront l’occasion de se taire ou non. Le président Andry Rajoelina, lors de sa dernière intervention médiatique bimensuelle dimanche soir, a annoncé la disponibilité du CVO+ sous forme de gélule dans quinze jours. Il s’agit d’une version améliorée du Covid-Organics qui a suscité des questionnements dès son lancement.Le remède est au point après trois ou quatre essais cliniques sur des animaux, selon les dires du président. Lors de son lancement dans la soirée du 20 avril, le CVO était présenté comme un produit ayant des vertus curatives et préventives contre la Covid-19.
    Lire la suite ...
    • lundi, 07 septembre 2020 20:19
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Tsy fanarahan-dalàna nataon’ny fitondrana: Nanatitra taratasy fitarainana tetsy amin’ny HCC ireo Loholona

    Manoloana ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika ilay volavola-dalàna laharana faha 001/2020, dia tonga nanatitra taratasy momba ny fitorohana ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fomba narahina tamin’ny “texte à valeur législative” araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-118 ny Lalampanorenana tetsy amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana na HCC ireo solotenan’ny Loholon’i Madagasikara izay notarihan’Atoa Mamitiana Fabergé Gabriel, androany alatsinainy 07 septambra 2020. Nambaran’ny Loholon’i Madagasikara Mamitiana Fabergé fa nanomboka tamin’ny famoahana ny vokatry ny fivorian’ireo vaomiera iraisana isasahana dia efa nisy ny tsy fanarahan-dalàna izay nolazainy fa i Madagasikara dia misy Antenimiera roa, ka ny tatitra izay noentina tany amin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta dia tokony tatitra voasonian’ny Filohan’ny Parlemanta roa tonta.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 136