Politique

    • jeudi, 04 juin 2020 19:04
    • Super User
    • Tahirin-tsary nindramina

    Governemanta: Nesorina ny minisitry ny fanabeazam-pirenena

    Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, dia nandray didim-panjakana ny Filohan'ny Repoblika Malagasy, Andry Rajoelina, hanala tsy ho minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampiofanana ara-tekinika sy ara-kasa, intsony an'i Ramatoa Rijasoa Andriamanana Josoa. Ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Ramatoa Assoumacou Elia Béatrice no hisahana vonjy maika izany ministera izany mandram-pahatonga ny fanendrena governemanta vaovao.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 juin 2020 10:19
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Christian Ntsay: 2 taona katroka androany no nanendrena azy ho Praiminisitra

    4 jona 2018 – 4 jona 2020, feno 2 taona katroka androany ny nanendrena voalohany an’i Christian Louis Ntsay ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Krizin’ny andrimpanjakana niitatra teny amin’ny arabe nivadika ho hetsi-bahoaka notarihin’ny solombavam-bahoaka niisa 73 no nitarika tamin’ny fandravana ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier ka nanendrena an’i Christian Louis Ntsay hitarika ny governemanta marimaritra iraisana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 juin 2020 09:27
    • Zakaria

    Antenimieram-pirenena: 4 ireo kandida hifidianana izay ho solotena ao amin’ny CENI

    Nifarana ny 1 jona 2020, rehefa nanomboka tamin’ny 23 may 2020, ny fe-potoana fandraisana firotsahan-kofidiana izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, hisolo ny toerana banga taorian’ny fametraham-pialan’i Rakotonarivo Thierry, filoha lefitra. Miisa efatra ny atontan-taratasy firotsahan-kofidiana voarain’ny Birao maharitra eny Tsimbazaza. Hotanterahina amin’ny 10 jona 2020 ny fifidianana, ary ho filoha lefitra avy hatrany izay voafidy eo.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mai 2020 12:59
    • Tigre
    • Sary nomena

    Toamasina: Passation de Service na famindran-draharaha

    Vita androany Asabotsy 30 mey 2020 antoandro ny lanonana tsotsotra famindran-draharaha teo amin’Andriamatoa PREFET n’i Toamasina vaovao RAZAFIARISON Jean Jugus, Administrateur Civil de Classe exceptionnelle, sy ny Préfet teo aloha BENANDRASANA Cyrille, Administrateur Civil de classe exceptionnelle. Henin-kaja ny lanonana satria Minisitra 03 mianadahy mianaka no nanotrona izany nisolo tena ny Fitondram-panjakana. Nanotrona izany koa ny Governora RAFIDISON Richard Théodore, ny Ben'ny Tanàna RAKOTONIRINA Nantenaina, ny ekipan'ny Prefecture ary ireo Talem-paritra sy Lehiben'ny Sampan-draharaha sy Lehiben'ny Boriborin-tany eto Toamasina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mai 2020 12:09
    • Tigre
    • Tahirin-tsary nindramina fanehoana

    Kolikoly: Ady amin'ireo dahalo ambony latabatra

    Ireo Minisitra misahana ny fandriam-pahalemana, ny Minisitry ny fitsarana, ny Fiarovam-pirenena, ny Polisy ary ny Zandarimaria dia nanambara tamin'ireo Solombavam-bahoaka, nandritra ny fihaonana tamin'izy ireo, fa hiady amin'ny heriny manontolo an'ireo dahalo ambony latabatra, toy ny mpiasam-panjakana na ny olom-boafidy manao ny tsy mety, mihoa-pefy ary manao kolikoly sy manao ramatahora na manararoa-pahefana. Efa maro ireo sarona sy voasazy, raha tsy hilaza afatsy ny mpitsara nahantona amin'ny asany tany Toliara, ireo Zandary nahiditra amponja sy nesorina tamin'ny asany. Ny Filoham-pirenena rahateo efa nilaza mazava fa tsy naman'izay mpitsikombakomba sy mpiaro jiolahy, na iza izy na iza. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 mai 2020 09:10
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Betafo-Vakinankaratra: Manomboka miaina fiovana ny Vahoaka

    Telo volana nitantanana ny tanànan’i Betafo izao i Randriatahinamalala Livasoa. Ben’ny Tanàna vaovao ity farany. Fanambiny ny hanao tatitra ho an’ny Vahoaka isaky ny telo volana satria “manan-jo hahalala ny fitantanana ny tanànany ny Vahoaka”, hoy izy. Na mbola ao anatin’ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana aza, izay nampihena ny fahafahana manao zavatra, dia azo tsapain-tanana ny asa vita tao anatin’izay telo volana mahery nandraisana ny fitantanana ny Kaominina ambonivohitra Betafo, Faritra Vakinankaratra izay, hoy Randriatahinamalala Livasoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 mai 2020 22:23
    • Zakaria

    Toaka gasy: Hodinihina ny famokarana sy famarotana azy ara-dalàna

    Hiaka-dapa ary isany lahadinika mandritra izao fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta izao ny tolo-dalàna laharana faha 03-2019/PL mikasika ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy. Hodihinina ao amin’ny Antenimierandoholona mandritra izao fivoriana ara-potoana voalohany izao ny tolo-dalàna laharana faha 01-2019/PL momba ny Satan’ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra izay natolotry ny Solombavambahoaka Razafintsiandraofa Jean Brunel Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 mai 2020 22:46
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Transparency International Initiative Madagascar: Mahafaty toy ny Covid-19 koa ny kolikoly!

    Mety hampiroborobo ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin'izao ady amin'ny Coronavirus izao. Zonao ny mitaky izany na anaty hamehana aza. Namolavola Boky kely "Torohay ho an'ny Olompirenena iadiana amin'ny kolikoly ao anatin'ny Covid-19" ny Transparency International - Initiative Madagascar (TI-MG), tohanan'ny Masoivoho Soisa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 mai 2020 15:00
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary nindramina fampiaingoana

    Lisi-pifidianana: Niampy 524 669 ny isan’ny mpifidy

    Niroso tamin’ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana ho an’ny taona 2019-2020 ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny 15 mey 2020, araka ny voalazan’ny andininy faha-39 amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana (lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018). 10 381 133 ny isan’ny mpifidy ao anaty lisi-pifidianana nofaranana ny 15 may 2020. Mpifidy vaovao nampidirina ny 524 669 amin’izy ireo. 443 119 ny isan’ny mpifidy noesorina taorian’ny famaranana vonjimaika ny faran’ny volana febroary 2020. Tsiahivina fa 10 299 583 ny isan’ny mpifidy tao anatin’ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2019.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 mai 2020 13:51
    • Zakaria

    Ambanja: Nesorina amin’ny toerany ny lehiben’ny Distrika

    Nofoanana nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia 20 may 2020 ny didim-panjakana manendry ny lehiben’ny Distrikan’Ambanja. Roa andro lasa izay no nahitana lavanila halatra milanja 8kg teo amin’ny faritry ny « Résidence » ny Distrika Ambanja. Mbola anatin’ny famotorana ny raharaha amin’izao fotoana. Tombanan’ny aty Ambanja fa mety hisy hifandraisany amin’io raharaha io izao fanesorana amin’ny toerany ny lehiben’ny Distrika izao.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 124