Filtrer les éléments par date : samedi, 09 janvier 2021
samedi, 09 janvier 2021 19:49

Tout chemin mène à Dubai

Bamako Mali, Antananarivo, Toliara, Johannesburg, Dubai.

Lavitra be raha Mali - Dubaï ?

Ilay licence fitrandrahana aza toa mbola licence de recherche fa tsy fitrandrahana na licence d'exploitation, dia efa namidy koa izy amin'io tamin'ny 2016.

Va retourner Bamako, fa avereno aty volamenanay, au suivant.

Bonne nuit
Patrick

Publié dans Pilo kely

Tontosa omaly ny fihaonan'ny Depiote Mamangy Norbert na Jack tamin'ireo mpandraharaha lavanila ato amin'ny faritra SAVA. Niisa 84 ireo namaly ny antso, ny sasany nandefa solontena.

Tonga nanotrona azy ny solombavambahoaka namany Atoa Ange Richard.
Nafana ny adihevitra tao anatin'ny adiny telo mahery, tao amin'ny Resto Grille Capricorne Ampandrozonana.

''Atsaharo ny ampihimamba ataon'ireo orinasa vitsy kely akaiky ny fitondram-panjakana fa mamono ity seha-pihariana lavanila ity. Foano ny prix de référence 250 dollars. Aty amin'ny faritra no fanomezana ny agrément fa tsy any Antananarivo, satria aty no mahay ny tena mpandaharaha manao io lavanila io'', hoy ny lahateny nisongandina nataon'ny depiote Jack.

Publié dans Economie

Mitohy hatrany ny fanadiadiana momba ity trafikana volamena 73.7kg, izay saika naondrana tany Dubai, nefa tratra tao Johannesburg Afrika atsimo ny 31 desambra 2020.

Raha ny fitsirihina ny balise n'ilay fiaramanidina dia ampy azy tsara hisidinany mivantana any Afrika atsimo ny solika zakany, porofon'izany nandeha nivantana avy any Johannesburg izy nihazo an'Antananarivo rehefa niverina, fa ny fijanonany tao Toliara izany dia niniana nolazaina anampy solika, fa ny andamina ny fahazoan-dalana misidina iraisam-pirenena no tena antony raha ny fandinihina azy, satria niala tao Antananarivo izy ny alakamisy 31 desambra 2020 tamin'ny 05h10 (Heure locale) maraina ary tonga Johannesburg OR Tambo tamin'ny 10h06 (Heure locale).

Publié dans Editorial

Nanditra ny kongresy faha 8 n'ny antoko any Korea avaratra, dia nanao fanambaràna ny filoha koreanina tavaratra Kim Kong Un, fa i Amerika no fahavalony voalohany, ary misakana ny fampandrosoana any aminy, ka dia hampitaovana ny tafika an-dranomasina sambo mpisitrika nokleary, sous marrin nucléaire, ny fitondrana Korea avaratra.

Na ny filoha Donald Trump na i Joe Biden hadimby azy moa dia mifanenjana hatrany amin'i Kim Jong Un. Nisy ny fifanantonana tamin'ny taona 2019 teo amin'i Donald Trump sy Kim Jong Un, fa nandamoka izany fihaonana indroa miantoana izany, satria nangataka ny hanalefahana ny fay rano ara-toekarena ataon'ny Amerikanina ny Korea avaratra, fa tsy nanaiky izany Donald Trump raha tsy mitsahatra amin'ny famokarana bomba atomika i Korea avaratra.

Vary mangatsiaka miandry ny filoha vaovao amerikanina, Joe Biden, izany ity resaka Korea avaratra ity.

 

Publié dans Tselatra

Vaky vava ny Ben'ny Tanàna ao Londres fa tsy voafehy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 amin'ny endriny vaovao, 50-70% n'ny fihazakazaky ny fihanak'ilay valanaretina teo aloha ity endriny vaovao ity.

Raha ny fanazavan'ireo mpitsabo, dia ny fanafody nampiasaina hiadiana amin'ilay Covid-19 teo ihany no hiadiana amin'ity fiovana endrika vaovao ity, fa ny mahasamihafa azy, dia ity vaovao ity miazakazaka mifindra be, ka dia izay no mahafeno aingana ny hopitaly, ary maro arak'izany koa ireo namoy ny ainy.

Omaly zoma 08 janoary fotsiny no 1325 no namoy ny ainy ireo marary, ary 61 757 ireo tratran'ny aretina omaly fotsiny.
79 833 no efa namoy ny ainy tany Royaume-Uni nanomboka nisian'ity valanaretina ity, ary 69 670 dia tao Angletera avokoa no maty.

Angletera moa ankehitriny dia efa mihiboka tanteraka, ary mitohy ny fanaovam-bakisiny, izay hany tokony hiarovana amin'ity valanaretina ity raha ny fanambaràn'ireo manam-pahaizana momba ny ady amin'ny valanaretina.

 

Publié dans Tselatra

Taorian'ny fananihana ny lapan'ny Kongresy, izay ny filoha am-perinasa ankehitriny, Donald Trump no nanentana ireo mpomba azy haka ny toerana ivon'ny fahefana any Amerika, dia nanomboka nisitaka taminy ireo olom-boafidy Rapoblikanina, mandeha ihany koa ny fanangonan-tsonia ny hanalana azy tsy ho filoha amerikanina, na dia andro vitsy aza sisa no hananany izany, efa miaro ny rafitra fandefasana ny baomba atomika ihany koa ireo rafi-miaramila, sao misy fikasana hanao izany i Donald Trump amin'ny ireo firenana hafa.

Publié dans A la Une

Les dirigeants du Conseil œcuménique des Églises Chrétiennes de Madagascar (FFKM), conduits par son président en exercice, Monseigneur Odon Marie Razanakolona, sont venus présenter leurs vœux de nouvel an au Président de la République Andry Rajoelina et son épouse Mialy Rajoelina, au Palais d’Iavoloha ce 8 janvier 2021.

Les représentants du FFKM ont notamment évoqué les épreuves qu'a traversé le pays durant l'année passée. Outre les vœux, ils ont aussi donné leur bénédiction au couple présidentiel pour qu'ils puissent mener à bien leurs missions pour le développement du pays.

Publié dans Art et Culture

Mpitandro ny filaminana marobe mirongo basy no namoha mandry ny mpianatry ny Oniversite Antsiranana io maraina io.

Mitranga izany roa andro taorian'ny hetsiky ny mpianatry ny ENSET (École Normale Supérieure et Enseignement Technique) izay niafara tamin'ny fahamaizana fiara sy fahavakisan'ny birao ny fiadidiana ny oniversite, ka nahaverezana fitaovana maromaro.

Etsy ankilany, milaza ny mpianatra fa miandry miaramila miala izy ireo, dia hanao fivoriambe, mitohy ny hetsika fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avy hatrany ireo rehetra vita fianarana mivoaka amin'ny ENS.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
samedi, 09 janvier 2021 08:43

09 janvier : Journée mondiale de la Corse

09 janvier : Journée mondiale de la Corse.

 

Publié dans Fil info