Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 janvier 2021

Mahaiza ry havako aby mitandrigny, fa koa efa gasy andeha afriky du sud, esory lasiteo denôr volamenanao fa magnena karaha sirène n'ny aéroport Nosybe mikeky taxi maitre hitsena voyageur Fasegny ein.

Mbola 100m miala polisy eo anao, efa krinnngggg, tsy misy farany, injaka eky fa valizy mavesabesatra 73kg, efa ialaha sandra.


Je vous invite à faire un petit tour, juste à l'aéroprt Johannesburg OR Tambo... quelques photos.
Attention ein, conduite à gauche là-bas. Il faut présenter passeport pour acheter whisky duty free.

Bon voyage et bonne nuit e.
Patrick

(Voir Suite Photo)

Publié dans Pilo kely

Le Président de la République, Andry Rajoelina, a mandaté le Ministre des Affaires étrangères, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva pour le représenter à la cérémonie d'investiture du Président de la République du Ghana Nana Akufo-Addo, le 07 janvier 2021 à Accra.

A cette occasion, le Chef de la diplomatie malagasy a transmis le message de félicitations du Président de la République et du Peuple malagasy à son homologue ghanéen.

 

Publié dans Fil info

Raha ny tsilian-tsofina etsy sy eroa, dia samy mbola te hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin'ny 2023 i Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina ary Andry Rajoelina.

Samy milaza te hamonjy ny firenena Malagasy avokoa.

 

Publié dans Politique

Taorian'ny fanentanan'i Filoha am-perinasa Donald Trump ireo mpomba azy tsy hanaiky ny vokam-pifidianana ho filoham-pirenena amerikanina, ary nanentanany ny akana ny Capitole, foiben'ny fahefana amerikanina izay misy ny Kongresy, dia nirohitra niditra nanao amboletra, nandritra ny fivorian'ny Kongresy, ny solombavam-bahoaka sy ny senatera amerikanina, izay mivory manamarina ny vokam-pifidianana, ireo mpanohana an'i Donald Trump.

Navoaka aingana tao amin'ny efitra fivoriana ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy, nisy ny famakiana fitaratra, fanimbana ireo birao sasany, fiakarana teny amin'ny toerana natokana ho an'ny filohan'ny andrim-panjakana, fanaovana zinona ny toerana.

Nisy ny lakrimozenina nirefotra, ary nisy ny maty vokatry ny tifitra.

Tsy nanaiky ny anakanana ny fanamarinana ny fifidianana anefa ny filoha lefitra amerikanina Mike Pence, izay samy Repoblikanina toa an'i Donald Trump ihany koa, na dia efa nentaniny tsy hanao izany fombafomba fanamarinana izany. Maro koa ireo senatera tsy nanaiky izao toetra nasehon'i Donald Trump izao.

Publié dans Politique

Nihitatra tany amin'ny grevin'ny mpianatry ny Onivesité n'Antsiranana ny fitokonanana nataon'ny mpianatra ENSET omaly alakamisy 07 janoary 2021.

Nifamotoana teny amin’ny campus ny mpianatra omaly hariva. Mitaky ny fisian'ny rano eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy ireo, ny hanatsarana ny trano izay tsizarizary. Niitatra hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny filohan’ny oniversite ny tapak’ireo mpianatra io hariva io.

Nisy anefa ny sakoroka, nisy ny fisamborana mpianatra 16 ary dia nanararoatra ihany koa ireo totakely nanimba sy nangalatra.
May tamin'izany ny fiara iray, vaky ny fitaratry ny biraon'ny Filohan'ny Oniversité, nidiran'izy ireo ny biraon'y DAF, mpitam-bola, nisy nangalatra ny imprimante sy ny ordinateur, nopotehina ny birao.

Publié dans Vaovao
vendredi, 08 janvier 2021 11:50

Sénat : Une institution de la stabilisation ?

La messe est dite. Du bleu, le Sénat de Madagascar vire maintenant à l’orange.

Publié dans A la Une

Zazavavikely vao 06 taona monja no fantatra fa tratry ny fanolanana nataona rangahy iray 50 taona, “maçon”, tao Antanifotsy Ambatondrazaka, Alaotra-Mangoro ny 05 janoary 2021.

Sendra tsy teo ny renin'ilay zaza no nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ilay “maçon”, izay manao trano mifanila aminy.

Rahefa tonga ilay Renim-pianakaviana dia nahatsikaritra rà mikoriana amin'ilay zaza ka nitoroka tamin'ny Zandarimaria avy hatrany.

Araka ny famotorana fohy dia notondroin'ity zaza voaolana ity tsy ampihambahambàna ilay rangahy izay nanolana azy.

Mitohy ny famotorana saingy mbola raiki-tahotra ilay zaza izay nampitahorin'ilay rangahy fa ho vonoiny raha mitoroka sy mitantara ny fisehoan-javatra.

Efa manaraka fitsaboana sahaza azy ao amin'ny CSB2 Ambohimasina ilay zazavavy kely voaolana.

 

Publié dans Vaovao

Nivoatra ny toe-draraha ao amin’ny oniversite Antsiranana. Lasa fitokonana faobe ny fitakiana nataon’ny mpianatra ao amin’ny ENSET Antsiranana, mitaky ny handraisana ireo mpianatra rehetra vita fianarana, ho mpampianatra amin’ny fanabeazam-pirenena.

Nifamotoana teny amin’ny campus ny mpianatra omaly hariva. Mitaky ny fisian'ny rano eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy ireo, ny hanatsarana ny trano izay tsizarizary. Niitatra hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny filohan’ny oniversite ny tapak’ireo mpianatra io hariva io, ary nilaza izy ireo fa hitohy ny hetsika.

Navotsotra omaly hariva io ihany ireo mpianatra niisa 16 nosamborin’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsi-pitakiana nataon’izy ireo nidinana an-dalambe.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

08 janvier : Journée internationale du bain moussant.

 

Publié dans Fil info

Nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2020 ka hatramin’izao volana janoary 2021 izao dia tafakatra 12 ny olona voatily mitondra ny tsimokaretina Covid-19 aty Morondava, renivohitry ny faritra Menabe.

Nisy ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny OMC sy ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra mba hijerena ireo fepetra horaisina manoloana izany.

Tapaka tamin’izany fa haverina indray ireo fepetra aram-pahasalamana ho fiarovana ny tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity : tsy maintsy manao arovava orona ny tsirairay rehefa mivoaka ny tokan-trano, hajaina hatrany ny elanelana iray metatra amin’ny toerana fivorivoriana sy be olona.

Hisy ny fanaraha-maso ataon’ireo tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ireo fepetra aram-pahasalamana ireo.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2