Filtrer les éléments par date : mercredi, 06 janvier 2021
mercredi, 06 janvier 2021 20:20

Resaky ny mpivarotra eny an-tsena

Pilo kely : Resaky ny mpivarotra eny an-tsena

Tsy ilaina akory ny manao confinement indray mandeha hafa, ny mpividy aza efa tsy misy tonga, samy efa mihiboka tsy misy vola daholo.

Tafandria mandry e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Misedra olana vaovao indray ny mpiasan'ilay orinasa afaka-haba JOUVE Madagascar, nirehitra ny herinandro lasa teto Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra.

Ny Alatsinainy lasa teo raha tonga namonjy ny toeram-piasany ireo mpiasa, dia zendana rehefa nilazan'ny tompon'andraikitra fa hifindra any Antananarivo ny orinasa, ka izay mbola te hiasa dia manaraka azy ireo.

Nitaky ny handoavana ny vola manandrify azy moa ireo mpiasa mialoha izay hialan'ny orinasa ao Antsirabe.

Etsy ankilany dia nahatezitra ireo mpiasa ihany koa ny resaka aelin’ny sasany milaza fa ireo mpiasa nalefa "chômage technique" no nandoro ny toeram-piasany, izay tsy mitombona satria ao anaty tamboho avobe no misy ilay orinasa, no sady misy mpiambina koa izany.

Misesy ny fandroahana mpiasa ankolaka amin'izao fotoana, taorian'ny nampamaivay ny valanaretina Covid-19 iny satria saika itrangan'izany avokoa ireo orinasa afaka-haba aty Antsirabe.

 

 

Publié dans Tselatra

Nanao hetsika fitakiana, sady nilanja sorabaventy ny mpianatry ny ENS (École Normale Supérieure) Ampefiloha Antananarivo androany maraina.

Nivoaka ny faritry sekoly izy ireo, nandoro kodiarana teo amin'ny arabe niteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana tamin'ny faritra iny.

Ny fandraisana ho mpampianatra ireo vita fiofanana ao no votoatin'ny fitakiana.

Efa maro anefa ny fifampiraharahana nifanaovan'ireto mpianatra ireto tamin'ny fitondram-panjakana fa tsy nisy vokany
Misy ireo mpianatra efa firy taona nahavita fianarana tsy voray nefa misy, hoy ireto mpianatra manao fitakiana ireto, ny fehezan-dalàna mamaritra fa tokony ampidirina miasa avy hatrany izay vita fiofanana, nefa hatreto tsy misy tanteraka izany.

Publié dans Politique

Taorian'ny fanidiana varavarana nataon'ny Angilisy ho fiarovana ny fahanaky ny valanaretina Covid-19, izay efa niova hery, ka lasa natanjaka 50-70% ny fipariahany noho ny teo aloha, dia nandray fepetra ihany koa i Alemana, Pays de Galles, Grèce, Ecosse, Italie, Danemark, Espagne fa anamafy ireo fihibohana efa noraisin'izy ireo, ka ao no mihiboka tanteraka, ao kosa ireo faritra ahitana ny valanaretina ambony ihany no mihiboka.

Ny hitovizana dia maro ireo sekoly, fiangonana, bar sy fanaovana lanonana no mikatona.

Ny ao Frantsa kosa dia ny tsy fahafahana mivoaka ny alina no efa noraisina, ary somary mbola sahirana amin'ny fitsinjarana ireo vakisiny, satria mila fitaovana sy vata fampangatsiahana mahatratra any amin'ny -80°C no ahafahana mitahiry sy mitsinjara ireto vakisiny, ka raha nandrasana ahavita ampanao vakisiny olona anetsiny, tamin'ny herinandro teo, dia vao anarivony no vita.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 06 janvier 2021 13:47

Amboasary Atsimo : Avy be ny orana

Taorian'ilay tafio-drivotra be narahina fasika, dia nilatsaka ny orana aty Amboasary atsimo omaly talata 05 janoary 2021.

Narahina varatra sy oram-be.

Faly ny mponina.

 

Publié dans Tselatra

Madagascar est habitué à démarrer une nouvelle année avec un gros scandale ces derniers temps.

Le début de 2020 était marqué par les controverses générées par l’histoire de paniers garnis dont l’issue était le remplacement de la ministre de l’Education nationale de l’époque.

L’affaire était ainsi étouffée sans pour autant que la suite ait donné lieu à un dénouement heureux.
La Covid-19 a complexifié encore davantage plus la situation quand l’épisode de « bonbons », ayant mis en jeu des milliards d’ariary, a éclaté.
L’on en savait tous l’aboutissement.

La nouvelle année 2021 a débuté, elle aussi, avec un scandale d’envergure internationale appelé « trafic d’or » s’élevant à plus de 16 milliards d’ariary.

Publié dans Politique

Mitovy amin'ny trafika rongony ihany io trafika volamena io.

Misy ny tena ati-doha manam-bola. Iny tsy mihetsika mandeha avion mitondra ilay rongony na volamena izany.
Misy indray ireo irahiny hitady volamena na rongony, mpanangona, manana olona maromaro izy, omeny vola hanangonana.
Misy amin'izay ny "mule", na ilay apondra mpitatitra, raha rongony, dia fonosina anaty kapoty dia atelina any anaty kibo, raha volamena dia any anaty valizy sy asisika anaty entana hafa.

Ireo ratsa-mangaika :

Tsy maintsy voafehiny izany ny eo amin'ny fitaterana azy miala ny dépôt asiany azy, na io saofera efa zatra azy, na taxi, na voiture location.
Ao amin'ny Aéroport, na izy olona ambony dia manindry fa hoe "...", izay matetika aza manana garde-corps mpanaraka izy, dia manao salut daholo ny mpitandro filaminana ao amin'ny aéroport. Na matetika ao amin'ireo mpampanofa fiaramanidina, izay misy aza ny mametraka plan de vol interieur, amin'izay tsy voasava douane, nefa eny ambony eny manova dia.

Publié dans Editorial

06 janvier : Journée Mondiale des orphelins de guerre.

 

Publié dans Fil info