Filtrer les éléments par date : lundi, 11 janvier 2021

16,558 miliara ariary ny teti-bola natokana ho an'ny andrim-panjakana Loholona amin'ity taona 2021 ity, Loholona miisa 18, izany hoe raha atao kajy tsotra dia 1 miliara ariary isaky ny Loholona no laniana ampandeha ny asa.

Latsaka an'io tetibola io ny tetibola teo aloha ho an'ny Loholona 63 isa nolazaina fa fandaniam-bola ka ampiasaina ananganana Oniversité.

Volamena 82kg ny sandan'io tetibola fampandehanana ny andrim-panjakana io ao anatin'ny 1 taona, izany hoe volamena 2 andro amin'ny volamena mivoaka antsokosoko eto Madagasikara.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Tsy mandry fahalemana eto Antsirabe tato ho ato na misy aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana, saingy tsy mahasehaka izany izy ireo.

Nisehoana fanafihana mitam-basy teny amin’ny Fokontany Antsanga-Ambohimanabe, eto Antsirabe ambonivohitra ny alin’ny alahady teo. Vola 20 tapitrisa no lasan’ireo jiolahy, ary olona 4 no nodarohan’izy ireo, ka ny 2 no tena naratra mafy.

Toeram-pivarotana zava-pisotro, manamorona ny làlam-pirenena faha 34 mivoaka an’Antsirabe, akaiky an’Andraikiba ity voatafika ity.

Raha ny fanazavana azo avy any an-toerana, dia tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina no tonga ireto andian-jiolahy ireto. Mbola nisy olona nisotro teo amin’io toerana io tamin’izany, fa tsy nisy nanam-po mihitsy kosa, fa ireo jiolahy efa teo am-pivarotana toy ny mpanjifa rehetra.

Tampoka nefa dia nanapoaka basy ny iray tamin’izy ireo, ary teo vao samy taitra ny rehetra, satria noheverina ho olona mpanjifa ihany ireto jiolahy ireto.

Publié dans Vaovao

Nanao jery todika ny asa vita ary nanoritra ny lalana hizorana amin’ity taona vaovao 2021 ity ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora Tinoka Roberto nandritry ny fananganan-tsaina voalohany teo amin’ny “Place Goulette” Ambohijatovo androany alatsinainy 11 janoary 2021.

Nambaran’ny minisitra fa ny taona 2021 dia natao hanokanana ny fotodrafitr’asa izay efa natomboka, toy ny kianja mitafo manarapenitra miisa 15, dobo filomanosana olimpika 2 ary kianja manarapenitra miisa 30.

Vinavinaina ho sivy volana ny faharetan’ny fananganana izany.
Tanjon’ny ministera ny hitsinjara mitovy ny fananganana fotodrafitr’asa toy izao isam-paritra mba tsy hitanila, ary efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy 2023.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Hatairana ny an'ny olona nahita faty nihantona tamin'ny sampan-kazo iray tao Marodoka, Nosy Be androany atoandro.

Lehilahy manodidina ny 50 taona eo ilay hita faty. Tsy mponina ao amin'ny Fokontany izy io raha ny angom-baovao hatreto.

 

Publié dans Tselatra

234 ny marary vaovao, 149 ireo sitrana vaovao ary 05 nodimandry. Santionany amin’ny tarehimarika mikasika ny valanaretina Covid-19 herinandro taorian’ny fety, teo anelanelan’ny 2-8 janoary 2021, ireo.

Faritra miisa 11 no nahitana ireo tranga vaovao ireo, saingy ny Faritra Analamanga sy Boeny no be tranga maro indrindra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nandray ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny Minisitry ny Raharahambahiny malagasy, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva, ny tolakandron’ny alahady 10 janoary 2021. Ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko milanja 73,5 kg no votoantin’ny dinika.

Nisy ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny tany roa tonta, mba hamerenana ireo harem-pirenena ireo eto Madagasikara sy ireo izay tratra tany Afrika Atsimo tamin’izao raharaha izao.

Natolotry ny Minisitra mivantana tamin’ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny antonta-taratasy mirakitra izany fangatahan’ny Fanjakana malagasy izany.

 

 

Publié dans Tselatra
lundi, 11 janvier 2021 13:37

11 janvier : Journée mondiale "merci"

11 janvier : Journée mondiale "merci".

 

Publié dans Fil info

Nanainga io maraina io ny fiaramanidina manokana, ho any Johannesbourg Afrika atsimo, nitondra ireo iraky ny Firenena Malagasy miaraka amin'ireo mpisolovava hanao fifampiraharahana ny amerenana ireo volamena malagasy, sy ampodiana ireo nitondra ny entana ho tsaraina aty Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Rehefa niainga teto Antananarivo hihazo an'i Toliara ilay fiaramanidina 5R-ASB nitondra ilay volamena 73.7kg ny 31 desambra 2020 tamin'ny 05:17 maraina, dia nanova izany sidina anatiny izany ho sidina iraisam-pirenena tao Toliara, rehefa nilaza fa hanampy solika tao an-toerana.

Ary dia nizotra nivoaka ny faritry Madagasikara tamin'ny faritra tsy hitan'ny radar satria toerana tsy rakotry ny balise Malagasy izay ao Antananarivo sy Antsiranana ihany no misy azy, fa ny fifandraisana kosa dia mipetraka hatrany eo amin'ny fiaramanidina sy ny Contrôleur eo amin'io faritra io.

Tamin'ny 09:57 (Ora any an-toerana) dia nigadona teo amin'ny seranam-piramanidina lehibe Aéroport international OR Tambo ao Johanesburg, Afrika atsimo ny fiaramanidina.

Nizotra tamin'ny parking tsy voarakitra ao amin'ny carte ity fiaramanidina, ny fiaramanidina rehetra amanjatony mifanerasera eo amin'ny seranana anefa dia tsy maintsy mandeha eny amin'ny parking ara-dalàna, ary voarara ny mandeha eny amin'ny hangar raha tsy mahazo alalana manokana.

Voarakitra amin'ny sary miloko manga ny parking ara-dalàna ao Johannesburg, izay carte ampiasain'ny mpanamory migadona ao, ary ny faritra mena dia faritra voarara, izay nandehan'ity fiaramanidina 5R-ASB nitondra ilay volamena 73.7kg ity.

Publié dans Editorial