Filtrer les éléments par date : vendredi, 01 janvier 2021

Sakeli-dalana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandalovan'ny Covid-19 nandritra ny 9 volana tamin'ny taona 2020, ary mbola mety hitohy izany amin'ity taona ity raha ireo firenen-dehibe hafa no jerena.

Samy nandray fepetra entitra ara-toekarena ny firenena maro, nanova ny paikady avokoa ireo mpahay toe-karena sy mpitondra maro maneran-tany.

I Madagasikara kosa, toa ny mahazatra ny mpitondra dia nisitrika tanaty fiherena ihany niandry ny fandalovan'ny rivodozan'aretina Covid-19, ka rehefa nahatsiaro fa afa-doza dia nivoaka ny trano ka nanohy ny fiainana an-davan'andro ihany.

Mitoy ny kabary fampanantenana, ny fanarenana ny fotodrafitrasa maventy sy tsy mbola natao nandritra ny 60 taona no himasoana, fa tsy misy fepetra miavaka. Azo antoka fa fitrosana sy fitadiavana famatsiana avy any ivelany, ary fiaraha-miasa fanjakana - tsy miankina na ny 3P (Partenariat Public privé), satria dia tsy hita any anaty sora-bolan'ny tetibolam-panjakana vao nolaniana ho an'ny taona 2021 izany nouvelle ville, na Tanamasoandro izany, ny tramway sy téléphérique atao eto Antananarivo, ny fanombohana ny autoroute mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.

Publié dans Pilo kely
vendredi, 01 janvier 2021 13:51

Frantsa : Olona 1000 manao fety atsokosoko

Noho ny valanaretina Covid-19 dia voarara ny mivoaka alina manomboka amin'ny 8ora alina ka hatramin'ny 06 maraina, voarara ihany koa ny fitangoronana fanaovana fety ankoatran'ny fianakaviana vitsivitsy.

Tany Bretagne anefa, dia nifamory nanao fety antsokosoko ny olona 1000 mahery. Tonga avy hatrany ireo mpitandro filaminana 150, fa notsenain'ireto farany tamin'ny tora-bato, ka naratra ny zandary 3, maro ihany koa no efa mamo, ka mety hitarika faharatrana maro raha aparitaka.

Betsaka anefa ny tsy manao arovava sy fanajana elanelana ka ahiana arak'izany ny fifindran'ny aretina amin'ny fianakaviany.

Nisy ny fikasana hanapaka ny jiro, fa efa nivatsy groupe ireto tanora mandihy techno ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
vendredi, 01 janvier 2021 12:59

Ankazobe : Nodimandry ny depiote Dokotera Dera

Nodimandry io maraina io ny Solombavambahoaka voafidy tao Ankazobe Dokotera Dera, RALALASON Dera Harinjafy.

Voan'ny AVC izy tsy ela, ary io no nihombo ka nitarika ny fahafatesany na efa niala nenina notsaboina aza izy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra