Filtrer les éléments par date : mercredi, 09 septembre 2020
mercredi, 09 septembre 2020 12:52

Vitatsika Consulting: Manamboatra trano

Betsaka ny manontany raha manamboatra plan na manamboatra trano izahay.

Manana entreprise mpanao trano izahay, Vitatsika Consulting, izay manana branche Vitatsika Construction, miaraka miasa amin'ny entreprise maro ihany koa, na hanao lalana na hanao toha-drano, na sekoly, na hopitaly, na tsena, fampidiran-drano, mandray anjara amin'ny fifaninanana marché public...

Manao trano ho an'ny olon-tsotra na particulier, na manangana ny asa vaventy ihany, gros œuvres, na clé en main miaraka finition, izay hifanarahana.

Raha manao plan fotsiny, dia 10 000ar/m² ny sarany, raha misy rihina izany, dia isaina ny velarana ambany, atambatra amin'ny velarana isaky ny rihina.
Raha tombana ankapobeny tsy manao plan détaillé kosa ahafantaranao hiomanana amin'ny ny mety ho laninao forfait 1 million ariary.

Publié dans Editorial
mercredi, 09 septembre 2020 11:14

Labatoara: Tsy manaraka fenitra ny ankamaroany

Ny Malagasy dia anisan'ny mihinan-kena atao laoka ho an'izay mbola mahatakatra an'izany.

Mitana ny lohalaharana amin'izany ny hen'omby, ny akoho, indrindra ny poulet de chair, na ny akoho fakana nofony, ny kisoa, ny ondry, ny osy, ny vorona sy ny bitro. Vitsy ny mihinana soavaly.

Isaky ny renivohitry ny distrika, sy ireo Kaominina lehibe dia saika ahitana labatoara, toerana famonoana sy fitsarana ireo henam-biby ireo, izay sahanin'ny veterinera any an-toerana.

Efa antitra na tsy araka ny fenitra ara-phasalamana anefa ny maro amin'izy ireo.
Tsy voahaja ny toerana ametrahana ny biby vao tonga, ny toerana anavahana ireo izay tsy salama, ny fikarakarana ny biby mba haka aina tsara vao vonoina, ny fahadiovan'ny toerana famonoana, ny fisian'ny rano madio anasana ny biby avy novonoina, ny toerana anadiovana sy andrasana ny biby efa maty, ny anavahana ny hoditr'ilay biby, ny toerana anariana sy hikarakarana ireo maloto tsy hivarina eny rehetra eny.

Publié dans Sociale

Mpiasa amin’ny orin’asa mpanodina akanjo manodidina ny efajato no nalefan’ny tompon’andraikitra mpitantana ho “chômage technique”, izany dia noho ny antony tsy mbola mazava amin’ireo mpiasa izay voakasik’izany.

Tsy misy ny fanomezana pré-avis fa dia ny ambin-karama sisa no homen’ny tompon’ny orin’asa.

Araky ny filazan’ireo mpiasa moa dia misy hatrany anefa ireo olona vaovao hampidirina miasa ao amin’ity orin’asa ity, ka mapametra-panontaniana azy ireo.

Marihina moa fa efa mpiasa tranainy ny ankabetsahan’ireo voakasika izao fampitsaharana miasa izao. Ka mampiantso ny mpanao gazety izy ireo ny alakamisy maraina eny ANDRAHARO ho fanazavana misimisy kokoa mahakasika izany olana sedrain’ireo mpiasa izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Zandary miisa efatra no namoy ny ainy nandritra ity taona 2020 ity, raha enina no naratra teo ampanantanterahana ny asany vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo.

Ny harivan’ny 07 septambra 2020 teo dia zandary iray miasa ao amin’ny BRS Analakininina Malaimbandy Menabe no notafihan’ny dahalo mitam-piadiana tao amin’ny tanàna atao hoe Manandaza Malaimbandy.

Voan’ny bala teo amin’ny tratra ilay zandary. Nalaina tamin’ny angidimby ny talata 08 septambra maraina ka nentina nankatý Antananarivo, ary tsaboina ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana.

 

Publié dans Vaovao

Faritra voakasiky ny valanaretina coronavirus i SAVA, ao anatiny ny Distrika Sambava. Nisy efatra no namoy ny ainy noho io valanaretina io. Nanaja ny fihibohana, nikatona ny sekoly, nisy ny very asa, betsaka ny olona sahirana nandritra izany.

Tsy mba nahazo “Vatsy Tsinjo” anefa i Sambava, hoy i Mamangy Norbert na Jack, solombavam-bahoaka voafidy tao Sambava, raha nivahiny tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy ny talata 08 septambra teo.

 

Publié dans Tselatra