Manambato - Ambilobe: Olona enina tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony 180kg
Lehilahy enina samy nitondra gony roa avy voasesika rongony no saron’ny Zandary tao Ambatomily Kaominina Manambato, Distrika Ambilobe, ny alin’ny 30 aogositra teo.
Milanja 180kg ny rongony nentin’izy ireo.
Notazomina natao famotorana tao amin’ny Brigady Anaborano Ifasy izy enin-dahy.
(Jereo Sary Tohiny)
Rtoa Kalozafy: Nosalorana samboady maha Loholon’i Madagasikara
Notanterahina androany alakamisy 03 septambra 2020, teto amin’ny Lapan'ny Antenimierandoholona, ny lanonana fametrahana samboady an-dRtoa Kalozafy Loholon’i Madagasikara avy any amin’ny Faritanin’Antsiranana.
Izy moa dia nisolo toerana an-dRtoa Razafindratovo Ravololonirina Emilie, nodimandry teto Antananarivo ny 22 jona 2020.
Ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, notronin’ireo mpikambana ao amin'ny birao maharitra sy ireo Loholon’i Madagasikara no nanatanteraka izany. Nanatrika ny fotoana ny fianakavian-dRtoa Kalozafy, ary teo ihany koa ny mpiasa eto anivon’ny Antenimierandoholona.
Razanamahasoa Christine: Nanao fanamarihana mikasika ny fomba fiasan’ny Vaomiera Ikambanana Isasahana
Nofaranana androany alakamisy 03 septambra 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena, raha nanomboka ny 26 aogositra lasa teo. Nandinihan’ny Vaomiera Ikambanana Isasahana ny Volavolan-dalàna laharana 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020 ity fivoriana ity.
Nanao fanamarihana mikasika ny fomba fiasan’ny Vaomiera ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine tamin’ny lahateny famaranana. Nohazavainy fa tsy mitovy ny fomba fanapahan-kevitra eo amin’ny Vaomiera tsotra sy ny Vaomiera Ikambanana Isasahana.
Kaominina Antananarivo Renivohitra: Mpiasa sivily 2 sy Polisy monisipaly 2 natsahatra tamin’ny asany
Mpiasa 4 teo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no niakatra « Conseil de discipline ». Mpiasa sivily ny 2, ary Polisy monisipaly ny 2.
Diplaoma hosoka, tsy fiakarana any ampiasana maharitra, ary fahamamoana am-pitondrana fiara no nanenjehana azy ireo. Tapaka fa najanona avy hatrany izy 4.
« Miezaka hatrany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba ho mahitsy sy hampanara-dalàna ny Tanànantsika ho an'ny tombotsoa iombonana », hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.
Fankatoavan-dalàna: Kihanin’ny Parlemantera ny Praiminisitra
Nanao fanambarana ny « Collectif des Parlementaires pour la restauration de l’Etat de Droit, de la Démocratie et de la bonne Gouvernance » eto Madagasikara manoloana ny ambaran’izy ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta sy ny Filohan’ny Antenimiera-pirenena izay nanao amboletra tamin’ny fepetra nentina nankatoavana ilay PL 001/2020, tao anatin’ny tsy fanajana ny tatitry ny vaomiera ikambanana, isasahana (Commission Mixte Paritaire).
Tosika Fameno: “Volan’angatra” hoy ny mpahazo tombontsoa sasany
“Inona no irarahainao izay volan’angatra any e!?”
Izay no navalin’ny raim-pianakaviana mamo ny vadiny, izay nanontany azy mikasika ny nanaovany ny Tosika Fameno mitentina 100 000 Ariary voarainy.
Volan’angatra no iantsoan’ny mpahazo tombontsoa sasany ny vola fanampiana nozarain’ny fanjakana ho fanampiana ireo sokajin’olona marefo eo anatrehan’ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19.
Tany Moramanga no nivoahan’io fitenenana io, araka ny nambaran’ny Mpitandrina iray nandritra ny fotoam-pivavahana ny alahady lasa teo.
Mpamonjy voina: Misy koa fotoana mba ialana voly
Manao fanazarana dihy mirindra amin'ilay hira "Jerosalema", isany malaza ankehitriny ireo mpamonjy voina an'ny tanànan'Antananarivo etsy amin'ny foibeny Tsaralalana.
(Jereo Sary Tohiny)
Tsinjoarivo - Belobaka: Miaramila iray vaky loha nolakoin’ny Fokonolona
Miramila iray no naratra mafy voafira famaky ny lohany. Nalefa haingana notsaboina ao amin’ny hopitalibe Tsiroanomandidy, rehefa avy nahazo fitsaboana vonjimaika tao amin’ny CSB2 Belobaka.
Miaramilan’ny RAS (Régiment d'Appui et de Soutien) eo Ampahibe Antananarivo, mamita iraka miaraka amin’ny « Bataillon Interarmes » na BIA Tsiroanomandidy, hampandry tany no nisekoseko.
Roalahy izy ireo no niaraka tao Soanafindra, Fokontany Tsinjoarivo, Kaominina Belobaka, Distrika Tsiroanomandidy.
Ny 1 septambra teo anefa dia nanapoapoaka basy izy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola nidaroka lehilahy iray mpampianatra avy ao Andranomangatsika indray koa nony tonga tao Mandrosoa.