Filtrer les éléments par date : jeudi, 24 septembre 2020

Ianao ilay tsy manam-bola iny, nampiripirina entana, nahita 100 000ar tampoka, nipirina tsara, voakajy tanaty entana, adinodinonao ny fisiany, faly be tokoa any zany, ka dia niantso namana hifety kely.

Lany ny vola, tsy maninona e, vola efa tsy tanaty kaonty ve moa, zara aza mba nisy niarahana nifaly tamin'ny namana.

Nanontany vadinao, efa naloanao moa Jirama, vola efa nomeko anao iny?

OUPS, Glup, Glup, tsy voatelina ny rora e!!!

Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

« Mbola ito aho, mbola manana etika politika, mahalala ny antoko politika misy ahy, mahafantatra ny iraka nampanaovina ahy, izay no zava-dehibe ». Fanambarana nataon’i Me Hanitra Razafimanantsoa, solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo I, tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara io androany, manoloana ny fanontaniana sy fanamarihan’ny maro tamin’ny tsy nahitana azy elaela izay, indrindra tao anatin’ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana.

Nandray anjara tamin’ny fihaonan'ireo olomboafidin’ny antoko Tiako i Madagasikara rehetra teny amin’ny Foiben’ny Antoko, Ampandrana Bel’air i Me Hanitra Razafimanantsoa androany.

Publié dans Politique

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE taorin’ny didy navoan’ny teo anivon’ny Filankevi-panjakana izay nanipy ny baolina any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena na HCC, mikasika ny fitoriana nataony.

Efa fantapantatra ny mety ho valin’ny didy, hoy ny KMF/CNOE, satria fitoriana fanampiny fotsiny iny napetraka teny amin’ny Conseil d’Etat tamin’ny 14 septambra, fa ny tena votoatin’ny fitoriana dia efa tafapetraka sahady teo amin’ny HCC ny 11 septambra 2020.

Manantena ny KMF/CNOE fa hitsara araky ny lalàna sy ny feon’ny fieritreretany ireo Mpikambana ao amin’ny HCC, fa tsy hanaiky izay mety ho tsindry politika samihafa.

Publié dans Politique

Nisy joro natao ho fanajana ny fomban-tany androany maraina. Taorian'izay no natsingevan’ny ranomasina ny nofomangatsikan'ilay tovolahy iray, manodidina ny 15 taona, natelin’ny ranomasina teo amin’ny Village Touristique omaly tolakandro.

Raha ny angom-bavao dia nisy vevavy nilomano dia saika natelin’ny ranomasina tamin’io fotoana io. Raha nahita izany ny tovolahy roa teo manodidina dia niezaka nanavotra azy.

Publié dans Tselatra

Arrivé au terme de sa mission à Madagascar, l'Ambassadeur de la République de Corée du Sud, Lim Sang-Woo a effectué une visite d'adieu auprès du Président de la République Andry Rajoelina ce 23 septembre 2020 au Palais d'Etat Iavoloha.

"La République de Corée du Sud et Madagascar entretiennent d'excellentes relations de coopération", a déclaré Lim Sang-Woo. Outre la lutte contre la malnutrition dans le Sud et les actions de promotion de l'hygiène dans la Région Atsinanana, la République de Corée du Sud soutient également Madagascar dans la lutte contre le Covid-19, notamment par la dotation de divers équipements médicaux.

L'Ambassadeur coréen a réitéré sa confiance à l'endroit du Président Andry Rajoelina à travers sa politique de gouvernance pour promouvoir l'émergence de Madagascar. "La Nation Malagasy a tous les atouts en main pour accéder à son émergence", a conclu Lim Sang-Woo.

 

Publié dans Fil info

SEM Usama Saeed Mahmoud Khalil prend officiellement sa fonction en tant qu'Ambassadeur de la République Arabe d'Égypte à Madagascar.

Le Diplomate égyptien a présenté ses lettres de créance auprès du Président de la République Andry Rajoelina lors d'une cérémonie qui s'est tenue ce 23 septembre 2020 au Palais d'État d'Iavoloha.

Publié dans Fil info

Tovolahy iray manodidina ny 16 taona no natelin’ny ranomasina teo amin’ny Village touristique ny alarobia 23 septambra tolakandro.

Raha ny angom-bavao dia nisy vevavy nilomano dia saika natelin’ny ranomasina. Nisy tovolahy roa teo manodidina nahita azy, dia niezaka nanavotra.

Avotra ilay vevavy sy ny iray tamin’ireo tovolahy nanavotra, fa ny iray natelin’ny ranomasina ary mbola nokarohina hatramin’ny lenti-masoandro fa tsy mbola hita.

 

Publié dans Tselatra

24 septembre: Journée Mondiale contre les brevets logiciels.

 

Publié dans Fil info
jeudi, 24 septembre 2020 08:52

Teti-bola 2020 ministeran'ny fahasalamana

- Ministeran'ny fahasalamana: 

Karama: 215,875 miliara ariary
Indemnités: 2,283 miliara ariary
Fampandehanan-draharaha: 58,426 miliara ariary
Investissement: 401,732 miliara ariary
Teti-bola 676,033 miliara ariary

Publié dans Politique