Filtrer les éléments par date : mercredi, 23 septembre 2020
mercredi, 23 septembre 2020 20:34

Pilo kely: Ronono no fanafodin'ny sakay

Raha may ny sakay, dia ronono sotroina, iny manala ilay masika amin'ny lela, nefa misy vao resaka ronono dia mivalana, ka aleony miaritra mamay eo.

Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nitrangana haintrano teo Ambalavao Isotry – Antananarivo Renivohitra ny hariva teo. Trano fitehirizana entana izay karana no tompono no nirehitra.

Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina namono ny afo.

Nisy tovolahy iray nosamborin’ny Polisy, voalaza fa nanararaotra nanendaka tao anatin’ny fitangoronana sy fikoropahan’ny olona nandritra ity haintrano ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Misy ireo fianakaviana any ambanivohitra no tapa-kevitra fa hiroso amin’ny fanatanterahana famadihan-drazana ato ho ato, na eo aza ny fepetra ara-pahasalamana.

“Ny fanjakana izao efa mivonona ny hanao lanonam-be amin’ny 14 oktobra ho avy izao koa nahoana izahay no sakanana tsy hanao famadihana?” hoy izy ireo.

Nanafatrafatra ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady hariva teo fa tsy mbola azo atao aloha ny lanonana ara-drazana toy ny famadihana.

Nahazo toromarika mikasika izany ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, toy ny Ben’ny tanàna sy ny solontenam-panjakana ary ny mpitandro filaminana.

Publié dans Editorial