Filtrer les éléments par date : lundi, 21 septembre 2020

Voasakan'ny mpitandro filaminana ity taxi-be iray.

- Papier azafady
- Fa misy inona Sefo, hoy ity mpamily
- Visière nareo miakatra tsy manarona tarehy, orona vava
- Ka manjavona amin'ilay fofon'aina ilay izy Sefo, dia mety hitera-doza
- Ny lalàna no ampihariko, omeo ny papier
Nisava boite à gant ty saofera, navoakany avy any carnet fokotany sy CVO tamin'ny tavoangy, efa nisotroana kely
- Ity Sefo ny papier, voalaza mazava io fa fiarovana, ary raha marary dia fitsaboana, ka aiza amin'io ny filazana fa maharesy CVO ny masque nao, sady oviana sefo ny setroka échappement no atao anaty filtre à air, rivotra maloto no avoakan'ny vava, nefa teren'ny takom-bava hiakatra trohan'ny orona, ka izany ve no anasaziana olona?

Publié dans Vaovao

Ny taona 1958 no nankalazaina voalohany tany Roma (Italia) ny Herinandron’ny Olona Marenina.

« Tenin’ny tanana, ho an’ny olona rehetra » ny lohahevitra nosafidian’i Madagasikara hankalazana ny Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny olona marenina amin’ity taona 2020 ity.

Tombanana ho 200 000 ny olona marenina eto Madagasikara, ka 1% ihany no mbola tena mampiasa ny tenin’ny tanana.

46 no isan’ny mpandikateny tenin’ny tànana Malagasy nahazo diplaoma. Isan’ny fitakiana ataon’ny Federasionan’ny Merenina eto Madagasikara ny hankatoavana ny tenin’ny tanana ho teny ofisialy ao anaty Lalampanorenana.

 

Publié dans Vaovao

21 septembre: Journée Internationale de la paix.

 

Publié dans Fil info

21 septembre: Journée Mondiale de la maladie d'Alzheimer.

 

Publié dans Fil info

21 septembre: Journée internationale de la biblio diversité

 

Publié dans Fil info

Tsy afaka hotanterahina ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ny Barea amin’ny Etalons Burkina Faso nokasaina hatao any Portugal ny sabotsy 10 oktobra 2020 noho ny firongatry ny valanaretina Covid-19 any amin’ity firenena ity.

Lalao fanomanantena izy ity, mialoha ny fifanandrinana in-droa miantoana amin'ny Elefanta Côte d'Ivoire, amin'ny volana novambra 2020, izay tafiditra ao anatin'ny fifanintsanana ny CAN 2021.

Ho fantatra amin’ny herinandro ho avy, ny toerana hanaovana io lalao ara-pirahalahiana hifampitsapana amin’i Burkina-Faso io.

Misy ny fifampiraharahana amin’ny federasiona any Maroc ny amin’izany.

Efa nisy koa anefa ny safidy voalohany ny hiatrehan’ny Barea lalao fanomanantena amina klioba iray any Luxembourg.
Hisy ny fampivondronana ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hanomboka amin’ny 5 oktobra any Frantsa.

 

Publié dans Sport
lundi, 21 septembre 2020 20:58

AKAMA 67Ha: 73% ny taham-pahafahana CEPE

11 tamin’ireo mpianatry ny AKAnin'ny MArenina (AKAMA) 67Ha niisa 15 nanala fanadinana CEPE no afaka soamantsara, manome taham-pahafahana manodidina ny 73%.

 

Publié dans Tselatra

Natao androany tolakandro tao amin'ny Tribonaly Morondava ny fanadihadiana ny depiote teo aloha Raveloson Ludovic dit Leva, rehefa nosamborina tany Antananarivo ny alarobia 16 septambra, ary notanana tao amin'ny Zandarimaria Morondava.

Fitoriana nataon'olona tamin'ny taona 2018 no hiampangana azy, ho nifamaly narahana fikasihan-tanana, ka nahazoan'ity farany taratasy avy amin'ny dokotera fijanonan'asa mandritra ny 15 andro.

Tsy niakatra tao amin'ny fitsarana mpanao fanadihadiana anefa ity mpitory satria mbola mamita sazy 3 taona an-tranomaizina aty Morondava noho ny resaka fisolokiana.

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook i Tafs Ramahafadrahona, zanaka lahin-dRamahafadrahona, io hariva io, milaza fa « Araka ny toromarika avy amin’ny fanjakana mahefa dia asitrika izao Papa Ramahafadrahona. Manaiky ny fandaminana isika ».

Nodimandry androany 21 septambra 2020 teo amin’ny faha-82 taonany i Ramahafadrahona, rehefa notsaboina tao amin’ny HJRA Ampefiloha Antananarivo.

Mpanakanto, mpanentana fandaharana tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy i Ramahafadrahona, fahavelony.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 21 septembre 2020 17:10

Teti-bola ministeran'ny fanabeazam-pirenena

MINISTERE DE L'EDUCATION NATIONALE ET DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET PROFESSIONNEL

Karama: 902,883 miliara ariary
Indemnités: 10,125 miliara ariary
Fampandehanan-draharaha: 125,601 miliara ariary
Investissement: 276,847 miliara ariary
Teti-bola 1 305,331 miliara ariary

Publié dans Politique
Page 1 sur 2