Filtrer les éléments par date : lundi, 14 septembre 2020

Nanomboka androany ny fanadinana CAP (Certificat d'Aptitude Professionnel) eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy arak’asa.

Distrika roa amin’ny dimy no manana kandida miatrika izany ao anatin’ny Faritra Menabe. Miisa 14 ny kandida Morondava ary 36 ao Manja.

Nahitana fihenany ny isan’ny kandida CAP tao Morondava satria izay lasa tamin’ny fihibohana tsy niverina nanao dosie.

 

Publié dans Tselatra

Saron’ny Zandary ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny sakan-dalana tao Bevoay Kaominina Ankatsakantsa Sud, Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana ny alin'ny 02 septambra lasa teo.

Lasibatra tamin'io ny kamiao an’ny mpandraharaha iray monina ao Toliara. Naratra ny mpamily sy ny mpanampy azy ary voaroba ny vola mitentina 22 tapitrisa Ariary.
Niara-miasa ny Zandary sy ny Dinabe tao an-toerana nanao fikarohana ka nahatratrarana azy efa-dahy mpanao ratsy.

 

Publié dans Tselatra

Olona enina, renim-pianakaviana iray 35 taona sy ny zanany dimy mianadahy, 10 taona, 6 taona, 3 taona, 2 taona ary zaza vao 5 volana, no niara-namoy ny ainy tao Maromandraisoa, Kaominina Sahanivotry, Distrika Antsirabe II Faritra Vakinankaratra.

Ny 9 hifoha ny 10 septambra 2020 no niseho ny loza. Mpanao saribao ireto fianakaviana ireto. Entona avy amin’ny afon-tsaribao tsy maty tao an-trano no tombanana ho nanempotra ka nahafaty azy eni-mianaka, araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny CSB I Sahanivotry.

Tsy tao an-toerana, fa tany Antsirabe ny raim-pianakaviana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, ka izy niverina tao an-tanàna no nahita ny vady aman-janany nitsirara tao an-trano.

 

Publié dans Tselatra

Notoloran’ny « Fondation BOA » sy ny « Madagascar International Container Terminal Services » « ambulances » ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, androany 14 septambra 2020.

« Mbola mitohy ny ady amin’ny coronavirus ka ilaina ny fanomezan-tanana tahaka izao » hoy ny Minisitra Rakotovao Jean Louis Hanitrala.
Nilaza ity farany fa nahitana fihenana ireo isan’ny olona voan’ny coronavirus, ary ireto fiara ireto dia hanampy betsaka amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary.

Ho aparitaka any amin’ireo toerana saro-dalana ireto fiara ireo. Ny fananana ireto « ambulances » tsy mataho-dalana ireto dia hanome fahasalamana manaja ny maha olona hoan’ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny minisitra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Velaran-tany 500ha no novolena hazo tao amin’ny toeram-pambolen-kazo ao amin’ny tobin’alan’i Manankazo ao Ankazobe tamin’ny 19 janoary 2020. Acacia sy eucalyptus ny ankamaroany.

Ny Madagasco no mitantana ity toerana mirefy 8,750 hekitara ity nanomboka ny taona 2000, ary maharitra 50 taona izany.

Publié dans Vaovao

Betsaka ny mimenomenona fa ratsy ny sary, na tsy mahazo sary rehefa avy orana, indrindra ireo mampiasa Canal+ na hafa.

Nanao fanadihadiana, sy fandalinana tsotsotra momba izany isika, ka dia zaraina eto.
Lazaina mazava anefa fa tsy mahasolo ireo teknisianina, sady ampy fitaovana sy traikefa ary matihanina momba izany ny resaka atao eto, nefa ho an'ireo izay lavitra na tia kitikitika dia afaka mijery ny fanazavana eto sy izay hita maro eny amin'ny tranokala rehetra eny.

1- Inona ireny sahafa boribory ampiasaina ireny

Ireo mpandefa televizionina na radio, dia hanamora ny andraisan'ny rehetra azy, dia akarina ambony be eny anabakabaka ny sary sy feo dia miverina mienjera na midina ety ambany dia miparitaka amin'ny faritra maro.

Izay izy raha atao kisarisary tsotra, fa raha ara-tekinika, dia aza adino fa boribory somary manao endrika baolina lavalava ny tany, izy io dia miodina manodidina ny tenany, mahavita miodina indray mandeha manodidina ny tenany izy ao anatin'ny 24ora.

Publié dans Art et Culture