Filtrer les éléments par date : dimanche, 13 septembre 2020

Ianareo faritra no manome harena sy vokatra izay omena tantanan'ny fanjakana foibe, dia ianareo indray no mitalao amboary ny Epp, CEG, lalana, hopitaly, fandriam-pahalemana.

Raisiko ohatra ny faritra SAVA:
La vanille 2000tonnes na 2 millions kg no novokarinareo nahondrana tany ivelany taona 2018-2019.
Raha 300dollars Usd ny 1kg, dia 600 millions de dollar zany ny vola vahiny nampidirinareo. Mihoatra ny fanampiana sy trosa omen'ny mpampindram-bola ivelany antsika.
Dia lalana Ambilobe - Vohemar, na Maroantsetra - Antalaha - Mandritsara dia angatahanareo?
Mbola ny foibe, izay masondreo tsary nahita la vanille no manapaka ny momba ny la vanille.

Publié dans Editorial

Ratsy, mampitaraina ny mponina ny lalana mampitohy an’i Mahanoro amin’i Marolambo, Faritra Atsinanana.

Lalana mirefy 130 km eo io, tsy afaky ny fiara madinika, 5 andro vao todin’ny kamiao amin’ny fotoana maina, fa mety ho tapa-bolana an-dalana rehefa fahavaratra.

Adin’ny 12 ora ka hatramin’ny roa andro raha moto.
Distrika mamokatra i Marolambo toy ny kafe, akondro, …

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

25 ireo "receveur" Taxibe tsy manao na mampiakatra « visière » voatery nampanaovina asa iombonana.

71 ireo olona tratra tsy nanao Arotava ka nohamafisina indray ny asa iombonana nomena azy ireo.

Miisa 14 ireo mpivoaka alina nampidirina « violon » hita tsy nanao arotava no sady mbola mivezivezy tsy nanaja ny "Couvre-feu".

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 13 septembre 2020 12:20

Fanoherana: Mijoro ny RMDM Alaotra Mangoro

Tafajoro ny sabotsy 12 septambra ny Rodoben’ny Mpanohitra na RMDM Alaotra Mangoro.

Avy amin’ny antoko HVM no voafidy hitarika.
Nanatrika ny fananganana izany taty Ambatondrazaka ny birao RMDM Toamasina.

 

Publié dans Politique

Hiatrika lalao ara-pirahalahiana any ivelany ny Barea an’i Madagasikara ho fanomanan-tena mialoha ny lalao mandroso sy miverina hifanandrinany amin'ny Côte d’Ivoire.

Lalao fifanintsanana CAN 2021, tokony ho natao tamin’ny volana martsa 2020 ity fihaonan’ny Barea sy Côte d’Ivoire, saingy nahemotra noho ny valanaretina coronavirus.

Hatao eo anelanelan’ny 9-17 novambra 2020 ny lalao, ka any Côte d’ivoire ny lalao mandroso.
Mety hatao ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina ny lalao miverina eto Madagasikara.

 

Publié dans Sport

Nitrangana haintrano tao akaiky ny tsena Tsiroanomandidy ny sabotsy hariva 12 septambra 2020. Tamina tranombarotra mpamongady iray no niainga ny afo, nanodidina ny tamin’ny enina ora hariva.

Sarotra ny fifehezana ny afo. Rano notaomina amin’ny daba sy siny no nezahan’ny olona nifanome tanana natondraka noho ny tsy fisian’ny mpamonjy voina eto an-drenivohitry ny Faritra Bongolava.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

la Septicémie ou sepsis est une complication potentiellement mortelle d'une infection.

Le sepsis survient lorsque des substances chimiques diffusées dans le système sanguin pour combattre une infection provoquent une inflammation dans tout le corps.

Cela peut entraîner des changements en cascade qui endommagent plusieurs systèmes organiques, conduisant à une défaillance de ces derniers, jusqu'à entraîner parfois la mort.

Les symptômes sont la fièvre, des difficultés respiratoires, une hypotension artérielle, une accélération du rythme cardiaque et une confusion mentale.

Le traitement inclut des antibiotiques ou des fluides en intraveineuse.

 

Publié dans Fil info