Filtrer les éléments par date : jeudi, 10 septembre 2020

Tra-tehaka ny lehilahy iray, atidohan’ny famotsiana omby sy fanaovana taratasy hosoka.

Loharanom-baovao azo avy amin'ny olona tsara sitrapo no nijokoana azy tao Soavinandriana Itasy ny 07 septambra lasa teo, rehefa nanaovan’ny zandary velapandrika.

Mampiasa taratasin'omby ara-panjakana hosoka miisa telo izy ary ampiasainy izany isaky ny tsenan'omby ao an-toerana.
Rahefa natao ny fisavana ny tranony tany Morarivo Mananasy, sy ny fivantanany tao Soavinandriana, dia nahitana fitaovana fanaovana ny hosoka ary atontan-taratasy samihafa.

Publié dans Vaovao

Nitrangana disadisam-piaraha-monina tao amin’ny Fokontany Fiherenantsoa, Kaominina Soanidrariny, Distrikan’Antsirabe faharoa ny alarobia 09 septambra 2020.

Ady lova no nipoiran’ny resaka, ary niafara tamin’ny fahafatesan’ankizivavy iray tokony ho 16 taona teo ho eo.
Olana teo amin’ny tovolahy iray sy ny renikeliny no niantombohan’ny resaka. Mifanolana matetika ireto olona ireto amina resaka lova.

Ny Alarobia tolakandro dia tonga tao amin’ny tranon’ny rainy ilay tovolahy hitady ilay renikeliny saingy tsy tao io fa ramatoa efa antitra iray no tao, ary io no norahonan’ilay tovolahy hovonoina ka niantso vonjy. Tamin’izay no tonga ilay renikeliny ary dia raikitra ny fifamaliana.

Publié dans Vaovao

Tonga teny amin’ny biraon’ny Fokontany Antsongo-Antsirabe I ny Fokonolona ao an-toerana, androany Alakamisy 10 septambra tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo ho eo.

Manohitra ny famoahan’ny tompon’andraikitry ny Fokontany ny lisitr'ireo hisitraka « Vatsy Tsinjo » ny olona.
Tezitra ny maro fa tsy tao anatin’ny lisitra ny anaran’ireo izay tena hita fa sahirana, kanefa dia hitan’izy ireo tao anatin’ny lisitra ireo olona antsoin’ny eny an-tanana hoe “Debadeba” sy manan-katao, ary tsy azo heverina ho sahirana akory.

Raikitra ary ny tsoka kiririoka namoriana ny rehetra ary samy nijery ny anarany tao. Vao maika niakatra ny hatezeran’ny olona.

Milaza ny komity misahana io fakana anarana io fa samy noraisina avokoa ny anaran'ny mponina tokony hahazo, saingy teo imaso teo ihany dia nahazo horakoraka ary nambaran'ny mponina fa tsy marina izany.

 

Publié dans Tselatra

May ny tolakandron’ity alakamisy 10 septambra ity ireo tranovondro, fonenan'ny mpianatra eny Maninday, Oniversite Toliara.

Publié dans A la Une

Nihaona tamin’ny Filoha Rivo Rakotovao teo amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, ny alarobia 09 septambra 2020, ny antoko Otrikafo, ny Komba, ny Antoko Politika Madio, ny ALEFA, ny Front de Libération Nationale, ny SOLIDE ary ny olom-pirenena tsotra.

Nitondra ireo soso-kevitra entina hanairana ny Loholon’i Madagasikara haneho hevitra manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Loholona frantsay mikasika ireo Nosy Malagasy izy ireo.

Ao anatin’izany ny hametrahana ho lahadinika maika amin’ny fivorian’ny Antenimierandoholona malagasy ny valin’io fanapahan-kevitra io, ny tokony hananganana vaomiera manokana marolafy afaka mijoro sy ho sarotiny mafy amin’ireo Nosy ireo, ary ny tokony hanatevenana ny fangatahana fanohanana avy amin’ny firenena na vondrom-paritra ivelan’ny fanjakana malagasy.

Publié dans Politique

Madiva hifarana ny fotoam-piasan’ny Antenimierandoholona. Aoka tsy hirotorotoana ny fanatanterahana ny fifidianana Loholona, hoy ny KMF/CNOE satria volana mey 2021 vao tena hiditra hiasa ireo Parlemantera vaovao.

Solontenan’ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no ho fidiana ka ho fanarahana ny fenitra ara-demokratika dia takiana amin’ireo mpisehatra, hoy ny fanambarana nataony ny famoahana ny valin’ireo fitoriana tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo, satria efa mihoatra loatra ny « fe-potoana » voalazan’ny lalàna.

Takian’ny KMF/CNOE ihany koa ny fanatanterahana ireo fifidianana tokony haverina sy ireo izay tsy mbola nahavita fifidianana mihitsy mba hahafahan’ireo Kaominina ireo hisitraka ny zony avy, ahafahany hifidy.

 

Publié dans Politique

Tapaka fa ho tanterahana ny 11 desamba ho avy izao ny fifidianana ny loholon’i Madagasikara.

Namoaka ny didim-panjakana manainga ny mpifidy hanefa ny adidiny mifanandrify amin’izany ihany koa ny governemanta.

Ny mpanolotsain’ny tanàna sy ny ben’ny tanàna ary ny governora (izay misahana vonjimaika ny andraikitry ny lehiben’ny faritra) no mandrafitra ny kolejin’ny mpifidy vaventy eran’ny Nosy.

Anisan’ireo mpifidy ihany koa, araka ny voafaritry ny lalàna ihany koa, ny mpanolotsaim-paritra sy ny lehiben’ny Faritany ary ny mpanolotsaim-paritany.
Tsy mbola mipetraka eo amin’ny toerany anefa izy ireo hatramin’izao, raha didian'ny Lalampanorenana ho fidiana avokoa ireo.

Publié dans Politique

Nitsangana tao anatin’ny vanimpotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana ny « Komity Miaro ny Soa Iombonana » (KMSI), noho ny fitarainan’ny Fokonolona momba ny tsy fanarahana ny rafitra misy eny anivon’ny Kaominina sy ny Fokontany.

Mahatsapa ny Komity fa mandeha ila ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka tsara ifampiresahana. Tonga nitondra ny fitarainan’ny Vahoaka eny anivon’ny Fokontany teo anivon’ny Antenimierandoholona izany Komity izany ny alarobia 09 septambra 2020.

Publié dans Politique

Tsy nisy nizara vary sy menaka na « Vatsy tsinjo » sy « Tosika fameno » izany taty Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo nandritra izay fihibohana izay, hoy ny fitarainan’ny mponina ao an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Mitaky ny hivoahan'ny « contrat » sy ny « décision » ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) mba tsy ho ny olona niofana ho an'ny fanabeazana indray no hatao ambanin-javatra.

Nisy lisitr'ireo mpianatra ENS voaray ho mpiasam-panjakana nivoaka tamin'ny Janoary 2020. Nampanantena ny minisitra tamin'izany fa Aprily 2020 no mivoaka ny « contrat » sy ny « décision » ho an'ireo mpianatra miisa 627 tafiditra tao anaty lisitra.

Valo volana aty aoriana anefa tsy mbola ahitana mangirana ny fanatanterahana an’io.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2