Filtrer les éléments par date : jeudi, 06 août 2020

Manodidina ny 70 000 ny isan’ny olompirenena nosazian’ny zandary noho ny tsy fanaovana arovava na arotava, hoy ny jeneraly Andrianjanaka Njatosoa, izay lehibe mpifehy ny zandary manerana an’i Madagasikara, omaly alarobia 5 aogositra.

Voasazy nanao asa fanasoavana iombonana na Travaux D'intérêt Général (TIG) ireo olona ireo.
Efa nanome isa an’alina toy izany ihany koa ry zareo ao amin’ny Polisim-pirenena.

Tsy voafaritra tao anatin’ireo tatitra vonjimaika roa ireo ny vanim-potoana na volana nahabetsaka ny isan’ireo olona niharan’ny sazy noho ny tsy fitondrana arovava na arotava.

Publié dans Politique

Miaina anaty tebiteby ary mametra-panontaniana : ho tafody velona an-tanindrazana sa tsia ireo Malagasy lasa nitsabo tena any Inde ka tafahitsoka any noho ny fikatonan’ny sisintany, manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

Marary ny sasany eo ampiandrasana ny fodiana, misy ny efa namoy ny ainy. Nisy fianakaviana iray tonga tany Inde tamin’ny desambra 2019, nitsabo ny zanak’izy ireo izay voan’ny homamiadan’ny tsokan-damosina. Maty tamin’ny 20 mars 2020 anefa io zaza io.

Noho ny tsy mbola afahahan’izy ireo mody aty Madagasikara mantsy dia voatery tazomina ao an-trano ny razana izay miendrika lavenona satria tsy maintsy nodorana. Matory miaraka amin’ny faty ireo fianakaviany sisa tavela any an-toerana ankehitriny na dia mifanohitra amin’ny maha Malagasy « Velona iray trano, maty iray fasana » aza izany.

Publié dans Sociale

Nanao fanambarana ny Lonaky sy ny mpikambana FITIBA (Firaisankinan'ny Terak'Ibara) ato amin'ny Faritra Ihorombe mampahatsiahy fa anisan'ny nampandany ny Filoham-pirenena tamin'ny isam-bato ambony dia ambony ny Faritra Ihorombe ary mbola vonona hanohana azy amin'ny fanantanterahana ny Velirano nampanantenaina ho fampandrosoana ny Faritra Ihorombe.

Publié dans Politique

Hatreto dia vehivavy teratany Malagasy roa no nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambazotra facebook fa naratra nipitihan-javatra nandritra ny fipohana goavana in-droa nisesy tao Beyrouth-Liban ny Talata 4 aogositra teo.

Tsy mbola nanao fampitam-baovao ofisialy mikasika ireo teratany Malagasy any Liban taorian’iny loza iny ny eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny malagasy.

Ny heno dia misy olona maro tadiavina any, ary mitohy ny famotorana ataon'ny Consul any an-toerana.

Namoizana ain’olona miisa 135, naharatrana 5 000 eo iny loza tao Beyrouth iny, raha ny tarehimarika vonjimaika.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Voatendry ho Governoran’ny Faritra Bongolava nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly 05 aogositra 2020, ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph.

Publié dans A la Une

Nomena fanalefahan-ketra manokana ny fanafarana sy fampidirana entana ho enti-miady amin’ny Covid-19 mikasika ireo entana tonga avy any ivelany toy ny « concentrateurs d’oxygène », ny « respirateurs », ireo « kits de prélèvement », ireo « kits de laboratoire », ireo fitaovam-piarovana isan-karazany.

 

Publié dans Tselatra

Nanome toromarika ny Filoham-pirenena ny hanamafisana ny lamina atao amin’ny fizarana ireo « Vatsy Tsinjo » andiany faharoa ho entina miatrika ity valan’aretina ity ho an’ireo Distrika miisa 13 manerana ny Nosy, miampy an’Antananarivo Renivohitra sy Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo.

Ireo distrika izay tena nianjadian’ny fahasahiranana henjana noho ny fihanaky ny valanaretina teo amin’izy ireo no voakasik’ity fanampiana sy fandaminana ity. Hidina ifotony ireo minisitra sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo isan-tokony avy hanampy sy handrindra miaraka amin’ireo tompon’andraikitra any ifotony, mba hisian’ny fizarana marina, ary tena hiantraika any amin’ireo tena mila azy ny fanampiana atolotry ny fanjakana izay miteti-bidy eo amin’ny 72 miliara Ariary.

Publié dans Sociale

Nanao fanambarana ny avy eo anivon’ny Jirama fa ny halatra jiro sy/na rano ihany no iharan'ny fanapahana amin'izao vanim-potoanan'ny fahamehana ara-pahasalamana izao.

Misy anefa no manararaotra izany, ka fantatra izao araka ny fampitam-baovao nataon’ny Jirama hatrany fa misy andian'olona mitonona ho mpiasan'ny Jirama mitety tokantrano mitsirika kaontera amin'izao fotoana izao. Milaza ireo andian'olona ireo fa « misy hosoka ny kaonteran'ilay mpanjifa ka tsy maintsy esorina hanaovana fanadihadiana, raha tsy manome vola azy ireo ny tompontrano », hoy ny fanambarana.

Miantso ny mpanjifa ho mailo ny Jirama manoloana izany tranga izany, ary hitaky amin'izy ireny ny "Badge" manamarina fa tena mpiasan'ny Jirama ilay olona, "Ordre de mission" maniraka azy hanatanteraka ny asany miaraka amin'ny Kara-panondrom-pirenena.

 

Publié dans Tselatra