Filtrer les éléments par date : mardi, 25 août 2020

Napetraky ny fitondram-panjakana ny fahafahana mangataka findramam-bola eo anivon’ny CNAPS ho fitsinjovana ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa tsy miankina mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Miisa 1500 ireo mpiasa tao amin’ny orinasa Akanjo Ambatomaro nisitraka izany findramam-bola izany androany 25 aogositra 2020, nanombohana ofisialy ny tetikasa. Tonga teny an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Publié dans Vaovao

Namoaka didim-pitondrana manambara ny fiverenan’ny fitateran’olona manerana ny faritra Alaotra-Mangoro ny lehiben’ny fileovan’Ambatondrazaka (préfet), Rahajavololona Nirintsoa Harinandrasana, ny talata faha-25 aogositra.

Miverina miasa ny fitaterana iombonana amin’ireto zotra manaraka ireto :

- zotra rezionaly Moramanga-Vohidiala, Ambatondrazaka-Andilamena, Ambatondrazaka-Amparafaravola ary Amparafaravola-Andilamena;
- zone suburbaine mampitohy ny renivohitry ny distrika dimy sy ireo tanàna manodidina azy.

Tsy maintsy ao anatin’ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fepetra ara-pahasalamana anefa izany ary ho hentitra ny fisavàna sy ny fanarahamaso.

Publié dans Sociale

La Constitution de la République de Madagascar dispose : « Le droit de toute personne à la vie est protégé par la loi. Nul ne peut être arbitrairement privé de la vie » (article 8), rappelle Rabenoro Mireille, Présidente de la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme (CNIDH).

De toute évidence, les responsables qui ont donné l’ordre ou l’autorisation aux éléments de l’OMC d’arrêter à tout prix les fugitifs évadés de la prison portent une lourde responsabilité dans ce massacre a-t-elle dit. Les éléments sur le terrain ont peut-être essayé de tirer dans les jambes des fugitifs, ce qui expliquerait le nombre de 37 évadés capturés vivants, mais le bilan reste trop lourd.

Publié dans Politique

Misy mandavaka ny fantsona lehibe na « pipeline »  mitarika solika avy amin’ny sambo mpitatitra solika miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina mankao amin’ny dépôt Analakininina an’ny orinasa Galana.

Vehivavy iray, 50 taona, no nosamborin’ny zandary rehefa nahitana fitaovana ahiana ho misy ifandraisany amin’ny halatra solika amin’ny « pipeline » tao aminy, izay mampidi-doza satria mety hiteraka firehetana tampoka ary tonga amin’ny fipoahana.

Nitsoaka kosa ny lehilahy iray tompon’antoka amin’ny halatra. Efa fantatra ny mombamomba azy io ary karohina fatratra izy amin’izao fotoana izao.

 (Jereo Sary Tohiny)
Publié dans Vaovao

Mivoha ny Fiangonana rehetra ao amin’ny Faritra Menabe manaraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra. Manomboka amin’ny 6ora maraina ary mikatona amin’ny 5ora hariva ny fisokafan’ny Fiangonana, ary noferana ny Zoma-Sabotsy ary Alahady ihany ny andro azo anaovana fanompoam-pivavahana.

Anisany nivoitra ireo androany nandritra ny fampiantsoana fivoriana nataon’ny CRCO Menabe ireo mpitondra fivavahana androany maraina.

 
Publié dans Art et Culture

Ny jona 2019 no nandray tambinkarama farany ireo Sefo Fokontany ao Moramanga.

« Mafy ny asanay », hoy izy ireo, nefa tsy mba misitraka valin-kasasarana izahay. Efa ho lava ny fampanantenana ireo Sefo Fokontany ireo. Tsy hita hantenaina nefa koa tsy very hafoy ny tambinkaraman’izy ireo.

 
Publié dans Tselatra

Nisy andian’olona nilanja sorobaventy tao Mahabo, Faritra Menabe, androany, naneho ny hatezerany tamin’ny nahafatesan’ny tovolahy tsy ampy taona iray maty notifirin’ny polisy ny sabotsy lasa teo.

Voalaza fa tohin’ny raharaha fandrobana ny tobin-tsolika Jovena tao Morondava ny 20 aogositra 2020 izy ity. Voasambotry ny Polisy azo sambo-belona tao Mahabo ny jiolahy roa tompon’antoka tamin’izany ny 21 aogositra 2020.

Nandroba sy nitifitra Karana tompona tranombarotra iray ao Morondava Centre ihany koa ireto jiolahy voasambotra ireto, talohan’io fanafihana ny tobin-tsolika Jovena io.

Publié dans Tselatra

Le rapatriement des Chinois se déroule dans la plus grande discrétion, contrairement à celui des autres.

Les avions chinois transportant des dons destinés à renforcer la lutte contre la Covid-19 à Madagascar bénéficient d’une médiatisation bien dosée au pays.

Le dernier de la série est l’appareil ayant atterri sur le tarmac d’Ivato le 19 août.
Il a eu à bord 20 000 kits de test et 30 respirateurs gracieusement offerts par le gouvernement chinois, des Chinois basés sur l’île ainsi que d’autres bienfaiteurs chinois.

Publié dans Politique

Pasipaoro hosoka sy tsy fanefana ny hetra no nitazomana am-ponja an’i Ronaldinho sy ny raharalahiny tany Paraguay, nanomboka ny 6 martsa 2020.

Nalefa nivantana tamin’ny fahitalavitra ny fitsarana azy ny 24 aogositra. Naharitra adim-pamantaranandro telo izany.
Afaka izy, saingy mandoa honitra 90 000 dolara.

Teratany breziliana, ary mpilalao baolina kitra malaza i Ronaldinho. Izy no voahosotra hahazo ny baolina volamena na « Ballon d’or » ny taona 2005.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Hivory tsy ara-potoana ny solombavam-bahoaka manomboka rahampitso alarobia 26 aogositra. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato ny fivoriana raha toa ka teny amin’ny Lapam-panjakana Tsimbazaza no voatondro omaly.

Haharitra 12 andro ny fivoriana. Ny lahadinika amin’izany dia mikasika ny « commission mixte paritaire » hoentina mandany ny volavolan-dalàna laharana faha 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2