Ligue des Champions
Ampahibe-Antananarivo: Lehilahy hita faty nihohoka tao anaty tatatra
Mihohoka ao anaty tatatra misy rano maloto, kitapo mbola eny ambabena, ny kiraro eny an-tongotra. Izay no nahitan’ny olona ity faty ity teny Ampahibe, faritra misy ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena ny sabotsy 22 aogositra maraina.
Dada Jao: Manasitrana mararin’ny Coronavirus ao anatin’ny telo andro
Raberohoavy Ignace na Rajao ary fantatry ny maro hoe : Dada Jao, anarana hifamatotra amin’ity valanaretina Coronavirus nandavo olona an-tapitrisa manerantany, ary zato mahery teto Madagasikara ity io.
Manana fanomezam-pahasoavana izy amin’ny fitsaboana olona amin’ny alalan’ny zava-maniry, nolovainy tamin’ny Ray aman-dReny teo aloha, ary mahay manotra amin’ny alalan’ny rora : kibo mitohana, zazakely misy aretina.
Nanao ny evoka antsoina hoe : « Fagnefitany », izay fitambaran’ny zava-maniry maromaro karazany enina i Dada Jao, itsaboana sy fanefitra amin’ny Coronavirus.
Faritra Atsinanana: Mamita iraka any amin'ireo Distrika 03 amin'ny tapany Atsimo
Mamita iraka any amin'ireo Distrika 03 amin'ny tapany Atsimo ny ekipa tarihin'ny Governora RAFIDISON Richard Théodore nanomboka tamin'ny Alarobia lasa teo:
- Anisan'ny dinika amin'izany ny mikasika ny PRD na Drafitrasam-pampandrosoana taona 2020-2023,
- Teboka lehibe amin'ity fitsidihana ity ihany koa ny fametrahana vatofehizoro an'ireo asa fanamboaran-dàlana mamakivaky ireo Distrika notsidihina:
Ny 19 aogositra tao Brickaville, ny 20 aogositra tao Vatomandry ary ny 21 aogositra ny tao Mahanoro.
Sidina Tanà-Paris: Miisa 408 ny mpandeha nentin’ny Air France androany
Niainga androany maraina teny Ivato ny andiany manaraka amin’ireo Frantsay sy mizaka ny zom-pirenena frantsay niazo an’i Frantsa. Niisa 408 izy ireo no nandray ny sidina Tanà-Paris an'ny Air France.
Nentin’ny fiaramanidin’ny Tsaradia avy any Antsiranana niakatra teto Antananarivo ny mpandeha sasany, ny hafa avy any Toamasina nentina tamin’ny fiarabe.
Nifarimbona tamin’ny fandrindrana ny dian’izy ireo ny MDA-Aventour, Tsaradia ary ny Ambasady frantsay eto Madagasikara.
(Jereo Sary Tohiny)
Fanahimanana Tiaray: Nametra-pialana tsy ho Tale jeneralin’ny Serasera
Nitondra fiaram-panjakana nefa mamo. Nandona miaramila tamin’ny fiara nentiny, avy eo izy nitsoaka ary nifanenjehana ny fiara nentiny.
Kitra-LDC: Anio ny famaranana PSG # Bayern
Hotanterahina anio alina ny lalao famaranana iadiana ny tompondakan’i Eorôpa eo amin’ny ekipa tompondaka, hifanandrinan’ny klioba frantsay Paris Saint Germain amin’ny klioba alemana Bayern Munich.
Sambany ho an’ny PSG no hiatrika famaranana ny « Ligue des champions » eoropeana, raha toa ka efa nandrombaka in-dimy nibata io amboara io Bayern Munich.
Samy teratany alemana ny mpanazatra ireto ekipa roa tonta hiatrika famaranana ireo, dia i Thomas Tuchel ho an’ny PSG ary i Hans-Dieter Flick ho an’ny Bayern.
(Jereo Sary Tohiny)
Farafangana: Vaky ny fonja, maro ireo gadra nitsoaka maty voatifitra
Nahoraka eran’ny tanàna ary niparitaka tamin’ny tambazotra facebook fa vaky ny fonjan’i Farafangana androany.
Maromaro ny gadra tafatsoaka, nanararaotra ny andro alahady mangingina.
Raikitra ny hazalambo, nifarimbona ny mpitandro ny filaminana. Nisy ny fanapoahana basy. Nisy tamin'ireo gadra nitsoaka mantsy no voalaza fa nahazo basy.
Maro tamin’ireo gadra nitsoaka no maty voatifitra.
Mbola mitohy ny fikarohana ireo tafatsoaka.
(Jereo Sary Tohiny)
23 août: Journée Internationale du souvenir de la traite négrière et de son abolition
23 août: Journée Internationale du souvenir de la traite négrière et de son abolition.
23 août: Journée mondiale Topless
23 août: Journée mondiale Topless.
Qui ne porte aucun vêtement ni aucun tissu sur les seins, qui est nu au niveau de la partie supérieure du corps.