Filtrer les éléments par date : vendredi, 21 août 2020

Nisitraka ireo aro-vava sy ranom-panafody fandiovan-tanana (gel hydroalcoolique) avy amin'ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ireo mpanao gazety teto Antsirabe.

Nidina taty an-toerana ny biraon'ny Holafitra notarihan'ny filohany, Rakotonirina Gérard nizara izany. Nambaran’ity farany fa Faritra efatra no misitraka ireo fitaovana ireo araka ny nanoratana ny tetikasa tany am-piandohana, ka ho hita eo ireo faritra hafa satria nivoatra ihany koa ny fihanaky valanaretina Covid-19 ity.

Publié dans Vaovao

Victoire Rasoamanarivo no Olontsambatra malagasy voalohany.

Teraka tamin'ny taona 1848.
Natao Batemy ny 1 novambra 1863.
Nandray ny Sakramentan'ny Eokaristia ny 17 janoary 1864.
Natao Mariazy tamin-dRatsimatahodriaka ny 13 mey 1864.
Nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana ny 11 septambra 1864.
Nodimandry ny 21 aogositra 1894.

Ny papa Joany Paoly II no nanambara azy ho Olontsambatra ny 30 aprily 1989.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Le 3e don de lutte contre le Covid-19 du Gouvernement chinois est arrivé et réceptionné à l’aéroport d’Ivato le 19 août par le Gouvernement malagasy.

Ce lot du don est composé de 20 000 kits de test et des 30 respirateurs.

 

Publié dans Fil info

Lehilahy iray teratany frantsay voatana am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Marofoto, teratany italiana iray namany arahi-maso ara-pitsarana.

Nitahiry sokatra miisa 27 tao an-tranony, tsy nahazoana alalana ilay vazaha frantsay no niampangana azy.
Tsy biby fiompy ny sokatra sy ny gidro ka voarara ny mitahiry an-trano azy, hoy ny fanazavana.

 

Publié dans Tselatra

Banga nanomboka tamin’ny 17 aprily 2020 io toeran’ny Talen’ny « Comptabilité Publique » io, rehefa nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’io andro io ny didim-panjakana nanendrena ny teo aloha.

 

Publié dans Politique

Banga nanomboka tamin’ny 17 aprily 2020 io toeran’ny Tale Jeneraly « Contrôle Financier » io, rehefa nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’io andro io ny didim-panjakana nanendrena ny teo aloha.

 

Publié dans Politique
vendredi, 21 août 2020 19:31

OFMATA: Nesorina ny Tale Jeneraly

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alakamisy 20 aogositra ny didim-panjakana laharana faha 2005-358 tamin’ny 08 Jona 2005 nanendry ny Tale Jeneralin’ny OFMATA. Toerana niandraiketan’Atoa Randrianatsimbazafy Eddy.

 

Publié dans Politique
vendredi, 21 août 2020 19:19

Antenimiera : Hivory tsy ara-potoana

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly ny fiantsoana hivory ny Antenimiera roa tonta ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana tsy mihoatra ny 12 andro manomboka ny 26 Aogositra 2020.

Lahadinika amin’izany ny mikasika ny « Commission Mixte Paritaire » ho entina mandany ny volavolan-dalàna laharana 001/2020 tamin’ny 26 Febroary 2020 araka ny voafaritra ao anatin’ny andininy faha 96 ao amin’ny Lalampanorenana.

 

Publié dans Tselatra

Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ny filankevitra monisipalin’Antananarivo Renivohitra ny alarobia 26 ka hatramin’ny zoma 28 aogositra izao.

Hita amin’ny lahadinika voarakitry ny taratasy fampiantsoana fivoriana azy 55 mianadahy mpikambana ao amin’ny filankevitra ny momba ny fanomezana anarana vaovao ny lalana miisa roa ao Antananarivo Renivohitra.

Hisy, noho izany, ny fampitondrana ny anaran’ny mpanao politika isany Andriamanjato Richard Mahitsison sy Razanamasy Guy Willy.

Efa samy Ben’ny tanànan’Antananarivo ireo mpisehatra ara-politika roalahy izay nanana ny lazany manokana ireo. Efa samy olom-panjakana ambony ihany koa izy ireo.

Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny mpitandrina Andriamanjato Richard ny taona 1959-1977, ary ny taona 1995-1999 kosa ny farmasiana Razanamasy Guy Willy.

Nandimby an’ity farany Ravalomanana Marc ny taona 2000-2002, izay lasa filoham-pirenena ny taona 2002-2009.

Publié dans Politique

Niara-nitsidika ny ozinina famokarana zava-pisotro STAR tany Antsirabe ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana Rakotomalala Lantosoa sy ny Tale Jeneralin’ny STAR, Marc Pozmentier, ny Talata 18 aogositra lasa teo.

Notanterahan’izy ireo nandritra izany fitsidihana izany ny famerenana ny fampandehanana indray ny asa famokarana.
Manantena ihany koa ny STAR fa hiverina hiodina tsy ho ela ny ozinina Ambatolampy, izay nitsahatra tsy niasa nanomboka ny voalohan’ny volana mey.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie
Page 1 sur 2