Filtrer les éléments par date : vendredi, 31 juillet 2020

Nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan'ny Tahirimbola Iraisam-Pirenena (FMI) ny famatsiam-bola fanampiny mitentina 171,9 tapitrisa dolara ho an'i Madagasikara ao anatin'ny FCR (Facilité de Crédit Rapide).

 

Publié dans Tselatra

Misaona ny Holafitry ny Vaditany sy Mpanao Lavanty eto Madagasikara. Nodimandry androany i Me Rakotonoely Sylvain Gabriel, Vadintany sady mpanao lavanty ao Toliara, Mpanolontsaina ao amin'ny Biraon'ny Holafitra.

 

Publié dans Tselatra

31 jolay: Andro manerantany hoan'ny Polisin'Ala.

 

Publié dans Tselatra

31 juillet: Journée internationale de la femme africaine.

 

Publié dans Fil info

31 juillet: Journée Mondiale des administrateurs système.

 

Publié dans Fil info

Nikarakara fotoana manokana ny Fitaleavan’ny SPAT tarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly AVELLIN Christian Eddy sy ny ekipany, nandraisana ireo tompon’andraiki-panjakana eto Toamasina, notarihin’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore, ny Préfet-n’i Toamasina RAZAFIARISON Jean Jugus, ny Ben’ny Tanàna RAKOTONIRINA Nantenaina, ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Dokotera VAVY Céléstine, ny Lehiben’ny Komandy iraisam-paritry ny Zandarimariam-pirenena ny kolonely RABEMANANTSOA Josh. Izany hoe ireo tompon’andraikitra vao nandray andraikitra tamin’ity taona ity avokoa izy ireo.

Publié dans Economie

Mankasitraka ireo prefesora mpitsabo 4 nanao kajy, niainga tamin'ireo valin'ny fitiliana natao teto Madagasikara.

Raha ny fandalinana natao dia miazakazaka miakatra ny isan'ireo olona voan'ny aretina Covid-19 ka mila fepetra aingana hanakanana ny fihanaky ny valanaretina, manomboka amin'ireo fepetra fanakanana ny fifamindrana toa ny fanaovana takom-bava, fanajana elanelana, fanasana tanana...

Efa manakaiky ny famindrana olona 1 mamindra amin'ny olona 3 ankehitriny, raha tokony ho latsaky ny olona 1 mamindra amin'ny olona 1 ihany no fenitra.

Raha manaja sy entitra amin'ny fepetra tsy fifamindrana, dia mety any amin'ny 16 aogositra any, raha ity kajy ity hatrany, no ho tratra ny taha avo indrindra, na Pic, ka hanomboka hidina ny valanaretina, izay maharitra kokoa ny fidinany noho ny fiakarany. Tombanana tapaky ny volana oktobra any ny taha ambany indrindra.

Publié dans Sociale

Nidina nanara-maso ny vidim-bary teny an-tsena sy toeram-pivarotana ny avy amin'ny OMC Ambatofinandrahana manoloana ny fisondrotan'ny vidim-bary tampoka ho 600 Ariary tamin'ity herinandro ity.

Nampidinina ho 500ar ny vidim-bary ary hihatra manomboka ny zoma 31 Jolay avy hatrany izany. Tsy maintsy mametaka ho hita mibaribary ny vidin'ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan'andro ihany koa ny mpivarotra rehetra manomboka izao.

 

Publié dans Tselatra

Hiverina hianatra ny mpianatra manomboka amin’ny Alatsinainy 3 Aogositra 2020 ireo mpianatra amin’ny kilasim-panadinana CEPE, BEPC ary ny Bakalorea ato amin'ny Cisco Nosy-Be rehefa niato roa herinandro teo.

Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Nosy Be, Rabemanjary Thierry Anicet dia diovina ny toeram-pianarana rehetra alohan'ny hidiran’ny mpianatra, ary hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

Mpianatra iray isaky ny latabatra ary tsy tokony hifampikasokasoka koa ireo mpianatra mba hiarovan'izy ireo ny tenany.

Afaka mianatra maraina sy hariva ny mpianatra saingy tsy tokony hihohatra ny 5 ora ny firavana amin’ny hariva.

 

Publié dans Sociale

Miato ny fanakalozana vola eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara eto Antananarivo sy any amin’ny masoivoho any Toamasina sy Fianarantsoa ary Ambatondrazaka, ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2