Filtrer les éléments par date : mercredi, 29 juillet 2020

Araka ny vinavina dia ho henjana ny tsy fanjarian-tsakafo mandritra ny vanim-potoana maitso ahitra ho avy, izay hanomboka amin’ny volana novambra.

Amin’ny faran'ny volana Jolay anefa dia tombanana ho ny ampahefatry ny mponina ao atsimon'i Madagasikara, izany hoe, olona maherin’ny 550 000 no tsy hanan-kohanina isan'andro. Ny Distrikan'i Ampanihy sy Tsihombe no ho tena voakasik'izany.

Zaza maherin’ny 100 000 any amin'ny Distrika enina, tena voa mafy any atsimon'i Madagasikara, no ahiana ianjadian’ny tsy fahampian-tsakafo mandritra ny taona 2020, ka ny19 000 amin’izany dia tranga tena mafy.

Publié dans Sociale

Sakafo milanja 8 330 taonina no omen’ny fanjakana amerikana ny vahoaka any atsimon'i Madagasikara mandritra ny vanim-potoana maitso ahitra, izay ahiana ho mafy amin’ity indray mitoraka ity.

Olona miisa 350 000, ahitana vehivavy mitondra vohoka sy mampinono miisa 20 500, no hisitraka an’izany fanampiana vonjy aina ara-tsakafo izany.

Ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany, na USAID, no mamatsy vola izao fanampiana ara-tsakafo izao. Efa tonga avokoa ny entana, ary ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo (na PAM) no hizara ny sakafo amin’ireo ankohonana marefo ao amin'ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Vatovavy Fitovinany.

Publié dans Sociale

Vakinankaratra: Miato hatramin'ny 10 Aogositra 2020 ny fampianarana.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 29 juillet 2020 19:20

29 juillet: Journée internationale du tigre

29 juillet: Journée internationale du tigre.

 

Publié dans Fil info

Rapport provisoire sur les financements négociés et à négocier en réponse à la pandémie du Coronavirus 19
Mise à jour du 28 JUILLET 2020
(Document Ministère de l'économie et des finances)

Montant total (en millions USD): 671.73
Décaissements effectifs (en millions USD): 186.4

Bravo pour la transparence. Aux ministères ou services concernés de publier les détails des matériels achetés et les coûts.
Si on peut mettre aussi le volet don/prêt/durée et taux du crédit.

(Voir suite Photos)

Publié dans Politique
mercredi, 29 juillet 2020 11:10

29 juillet: Journée internationale du tigre

29 juillet: Journée internationale du tigre.

 

Publié dans Fil info

Mitsahatra tsy mihodina ireo orinasa miisa dimy ao amin’ny vondrona STAR, dia Antsirabe, Ambatolampy, Andraharo, Andranovelona ary Antsiranana. Nalefa « chômage technique » ny mpiasa nanomboka ny 28 jolay ka hatramin’ny 31 aogositra 2020, ankoatra ireo mpiandry raharaha.

Publié dans A la Une

Hiroso amin’ny fikojakojana fitaovana ao amin’ny tobim-pamokaran-dranon’i Mandroseza ny JIRAMA amin’ity Alarobia 29 Jolay ity. Natao izany « mba hahafahana manatsara ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina azy », hoy ny fampahafantarana nataon’ny orinasa.

Hiteraka fikorontanan’ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo izany asa izany.

 

Publié dans Tselatra