Filtrer les éléments par date : mardi, 28 juillet 2020

Tra-tehaky ny fokonolona sy ny Quartier Mobile ny mpangalatra lavanila tao Andongona Fokontany Antanambao, Kaominina Tanibe, Distrikan’i Mananara Avaratra, omaly tolakandro. Telo lahy izy ireo. Nikasa ny handositra ny iray tamin’izy ireo, saingy nalaky voasambotra ary naratra vokatr’izany.

Natolotry ny Quartier Mobile ny Zandary ny harivan’io ihany ireo olon-dratsy, ary androany vao mangirandratsy dia nentina ao Mananara Avaratra hatao famotorana sy ho fiarovana ny ain’izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Mpamily fiara Sprinter iray no nosamborin’ny Zandary raha nikasa hitsoaka taorian’ny lozam-pifamoivoizana nataony teny Ambohibao Antehiroka, ny 27 jolay 2020, ka nanimban-javatra sy namparatra Zandary amperin’asa.

Nogiazana ambalam-pamonjana fiara ilay fiara nentiny.

Fiaran’olon-tsotra roa hafa ihany koa no naiditra « fourrière » vokatry ny fitondrana olona mihoatra ny fetra azony entina.

Fiara niisa 333, moto niisa 236, bisikileta niisa 131, ary olona niisa 855 no naverin-dalana, ny andron'ny 27 jolay, rehefa tsy nanana antony mazava hivoahana ny trano sy tsy nanaja ny fepetra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana mihatra ato amin’ny Faritra Analamanga.

Tsy nanao aro-tava ny 24, nanana ara-tova saingy tsy nametraka izany amin’ny tokony ho izy ny 75 tamin’ireo olona ireo.

 

Publié dans Tselatra

Tovolahy iray, 21 taona, no maty tsy tra-drano notifirin’ny miaramila iray avy ao amin’ny 1/RM5 Toliara, manana galona kaporaly. Tao Mahabo Centre, Distrika Amboasary Atsimo no niseho ny loza, omaly atoandro. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny fitifirana nataon’ilay miaramila.

Basy kalachnikov no nampiasan’ilay kaporaly nitifirana, ary bala roa no niantefa tamin’ilay tovolahy avy ao an-damosiny ka nahafaty azy, araka ny fanamarinana nataon’ny dokotera.

Zanaka Sefo Fokontany ilay tovolahy voatifitra. Efa nalain’ny fianakaviana ny nofo mangatsiakany taorian’ny fanamarinana.

Nanokatra fanadihadiana ny Zandary avy amin’ny Poste Fixe Mahabo.

 

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray no tra-tehaky ny Andrimasom-pokonolona raha nikasa hamaky trano tao Ampasipotsy – Fenoarivo Atsinanana, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 26 jolay teo, tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany maraina.

Natolotr’izy ireo ny zandary ilay olon-dratsy natao famotorana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Zandary miisa 12 nanaraka fiofanana tao amin’ny Sekoly ambony ny zandarimaria ao Moramanga no voamarina fa voan’ny Covid-19 taorian’ny fitiliana natao azy ireo ny 15 jolay 2020.

Efa sitrana avokoa izy ireo ankehitriny, ary nahazo taratasy fanamarinana izany tsirairay avy. Mbola tazomina ao amin’ny sekoly mandritra ny 14 andro anefa izy ireo, mialoha ny hiverenan’izy ireo isanisany any amin’ny toerana iasany avy.

 
Publié dans Vaovao

Saron’ny Zandary avy ao amin’ny brigady Isoanala Distrika Betroka, omaly, ny tovolahy iray monina ao Maromandroso Kaominina Isoanala, nahitana rongony tapa-gony milanja 3,5 kg.

Anatin’ny famotorana azy ny Zandary hamantarana ny fiavian’io zavamahadomelina io sy izay mety ho iray tsikombakomba aminy.

 
 
Publié dans Vaovao

Le Président de la République Andry Rajoelina et son épouse Mialy Rajoelina se sont rendus, hier, au Centre Hospitalier de Référence du District de Nosy Be.

A l'occasion, le Président a remis des équipements et des matériels médicaux pour renforcer la lutte contre le Covid-19. En effet, à l'instar des autres hôpitaux, le CHRD de Nosy Be a également reçu des médicaments, des équipements de protection individuelle composés entre autres, d'EPI, de blouses, de combinaisons, de masques et de gants chirurgicaux, des kits de tests PCR, des gels hydroalcooliques, ainsi que deux concentrateurs d'oxygène.

A ce jour, Nosy- Be enregistre un taux relativement faible de cas positifs au Covid-19. Le Président Andry Rajoelina a néanmoins donné des consignes fermes pour veiller au respect strict des mesures sanitaires et anticiper la propagation de la pandémie.

Publié dans Politique
mardi, 28 juillet 2020 11:02

Mampikony: Itrangana haintrano goavana

Avy amina tranombarotra iray no niainga ny afo izao maraina izao, ary niitatra amin’ny trano manodidina. Fipoahana kaonteran-jiro no tombanana nitarika ny fahamaizana.

Mbola miezaka amin’ny famonoana ny afo ny Fokonolona, sady mamoaka ny entana azo avotana. Tsy misy fitaovana famonoana afo ny tanàna, ny rano koa anefa manano sarotra eto Mampikony tampon-tanàna amin’izao vanimpotoana izao.

 

Publié dans Tselatra

L'hépatite désigne toute inflammation aiguë ou chronique du foie. Les causes les plus connues étant les infections virales du foie et l'alcoolisme. Mais l'hépatite peut aussi être due à certains médicaments ou à un trouble du système immunitaire de l'organisme.

 

Publié dans Fil info

Mitohy tsy an-kiato ny asa sy hetsika eto an-drenivohitra Betsimisaraka.

Mitohy ny asa fanentanana TAM TAM nataon’ny Tetik’asa FANDRIAKA.
Hetsika mandritry ny 03 andro, famendrahana fanafody ireo cyclopousses sy tuc tuc mpitatitr’olona rehetra. Atao amina toerana maromaro miparitaka manerana ny tanàna.

Ny CRCO koa dia manohy ny fidinana ifotony manentana sy misafo ireo toerana tena ivoriam-bahoaka toy ny tsena.
Tamin’ny herinandro lasa dia ireo tsena Bazary-Be, Bazary-kely, Bazary Ambolomadinika, Bazary Ankirihiry, Bazary Valpinson, no nanaovana fidinana tampotampoka, nisavàna arovava, nanentanana ary nizaràna arovava.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2