Filtrer les éléments par date : lundi, 27 juillet 2020

Tontosa androany teo amin’ny tokontany malalaky ny Faritra DIANA ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben'ny Faritra DIANA mpisolo toerana sy governoram-paritra DIANA, Daodo Arona Marisiky, izay vao notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy 23 jolay teo.

Niatrika izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nanazava ity farany fa solontenan’ny filoha, manapa-kevitra amin’ny asa fampandrosoana ny Faritra ny Governora.

Nanamafy ny fampanantenana nataony ny filoham-pirenena fa tsy maintsy hovitaina ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambanja-Antsiranana.

Nisy ihany koa androany ny fampitaovana ny CHU Tanambao, hiadiana amin’ny Covid-19.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Tonga taty Nosy Be ny filoha Andry Rajoelina mivady androany nametraka paikady hifehezana avy hatrany ny mety ho fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19.

Nisy ny fanolorana fitaovana fanaovana fitiliana sy ireo fanafody hitsaboana ireo marary ao amin’ny Hopitaly be. Nahazo concentrateurs d'oxygène roa ny hopitaly hanampiana ireo efa misy ao hamonjena ireo marary misy fahasemporana.

Nambara ihany koa fa hovatsiana fiara mpitondra marary ary « radiologie numérique » ny hopitaly.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Miteraka savorovoro eny anivon'ny fokontany ilay fanomezana fanampiana tosika fameno mitentina 30 000ariary amin'ny alalan'ny ticket.

Raha 2000 ny isan'ny olona tafiditra hisitraka izany raha ny etsy quartier iray etsy Anjanahary ohatra dia ticket 200 isa no tonga. Misy moa ny filazana fa ho avy aoriana ny ambiny. Mipetraka ny olana iza no omena aloha, raha alefa araky ny lisitra voasoratra, totofan'ireo olona eny an-toerana ireo komity fa efa azo daholo ny ticket fa ahodikodin'n komity. Aseho ary ato peta-drindrina ny fanamarinam-pandraisana fa tsy voafehy ny tabataba, ireo izay tsy voasoratra anarana moa tsy resahina intsony ny menomenona.

Ny eny Ambohitsoa, dia olona 3 fotsiny no nahazo ny tosika fameno amin'ny quartier iray.

Misy aza ny olona efa nahazo ilay 100 000ariary no mbola mahazo indray ilay 30 000ar, misy aza moa ny manana trano be sy fiara no mahazo.

Niteraka olana eo amin'ny fiaraha-monina, ka maro ireo komity no nisitaka amin'ilay andraikitra satria mampiady.

 

Publié dans Tselatra

Maro ireo mpampianatra na mpiasam-panjakana, na mpiasa sekoly tsy miankina, no tsy miasa noho ny fihibohana amin'ireo faritra misy izay fepetra izay.

Maro ihany koa ireo mpiasam-panjakana no mijanona an-trano mihiboka ho an'ireo manao service minimum.

Maro anefa ny mety ilana azy ireo, hanampy amin'ny ady amin'ny valanaretina.
Ohatra amin'izany, ireo laboratoire dia tsy maharaka, sady manao fitiliana no manao asana sekretera sy miantso ireo olona avy natao fitiliana. Na hanao ny antontanisa samihafa.

Tsy voahofana amin'ny ady amin'ny aretina izy ireo, tsy voatery alefa hiatrika ny ady amin'ny aretina, fa afaka kosa hofanina aingana amin'ny fanampiana ireo dokotera sy mpanampy mpitsabo.

Publié dans Editorial

36 043 ny antso efa notontosain'ny Plateforme, izy ireo no mandrindra ny fizahana ireo marary ataon'ny BIS (Brigade d'Intervention Spéciale) isa-tokantrano araka ny fampitam-baovao ataon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Marary miisa 980 no arahina maso akaiky amin'izao.
3003 kosa ny antso vita isan'andro ho fanarahana ny toe-pahasalaman' ny marary any an-trano.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Manomboka androany 27 jolay ny fankalazana ny Isantaonan'ny Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza, ary tsy hifarana izany raha tsy amin'ny 2 aogositra 2020.

Miova ny fomba fankalazana amin'ity indray mitoraka ity noho ny valanaretina coronavirus eto amin'ny firenena, arahina amin'ny alalan'ny facebook na Youtube na onjampeo ny fandaharam-potoana mikasika izany.

 

Publié dans Art et Culture

Le fonio est une plante herbacée de la famille des graminées. Il est considéré comme la plus ancienne céréale d'Afrique de l'Ouest.

 

Publié dans Fil info