Filtrer les éléments par date : dimanche, 26 juillet 2020
dimanche, 26 juillet 2020 22:31

Toliara: Tranombarotra iray kilan'ny afo

Androany alahady 26 jolay 2020 nanodidina ny mitatao vovonana no nitranga ny haintrano. Nisokatra ilay tranombarotra ny maraina, teny an-dalana hamonjy fodiana ny tompony no nisy nampandre fa misy afo ao anaty tsena.

Nifarimbona ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Toliara sy ny an’ny ADEMA tamin’ny famonoana ny afo.

Lehibe ny fahavoazana, mandeha ny fanadihadiana hamantarana ny nahatonga ny afo.

 (Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tontosa androany Alahady 26 jolay 2020 ny famindram-pahefana teo amin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Mpisolotoerana Atoa Bazezy Vanombe Clavelah sy ny Governoran’ny Faritra Boeny vao notendrena ny alakamisy 23 jolay teo, Atoa Andriantomanga Mokhtar Salim.

Nanotrona izany tao amin’ny Lapan’ny Faritra teto Mahajanga Be ny Filoha Andry Rajoelina mivady.

Niazo ny CHU Mahavoky Atsimo, nanolotra nitondra fanafody, CVO ary fitaovana toy ny concentrateur d’oxygène entina hiadiana amin’ity valan’aretina Covid-19, ary koa fandrisika ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ny delegasiona notarihin’ny Filoham-pirenena taorian’izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
dimanche, 26 juillet 2020 15:48

26 juillet: Journées mondiales de la jeunesse

26 juillet: Journées mondiales de la jeunesse.

 

Publié dans Fil info

26 juillet: Journée internationale pour la conservation de l’écosystème des mangroves.

 

Publié dans Fil info

Misaona ny tontolon’ny spaoro mekanika, nodimandry tao an-tranony ny marainan’ity alahady 26 jolay 2020 ity i Andrianafetra Faly Robinson, nantsoin’ny namany Faly Be na "Le Roi Lion" teo amin’ny sehatry ny hazakazaka fiarakodia.

Filoha lefitry ny « Fédération du Sport Automobile de Madagascar » na FSAM izy.

Raha ny tsiahy fohy dia nianatra ho mpanamory fiaramanidina tany Etazonia i Faly Be, ary niverina an-tanindrazana ny taona 1994. Nirotsaka tamin’ny fifaninanana fanamoriana fiarakodia izy nanomboka teo, ary fiara Peugeot fantatra amin’ny marika liona, hatrany no nentiny, niandohan’ny « Le Roi Lion », zary raikitra niantsoan’ny namany azy.

Publié dans Sport