Filtrer les éléments par date : vendredi, 24 juillet 2020

« Noho ny famindrampon’Andriamanitra dia tafody sitrana soa aman-tsara ato an-trano anio aho », hoy Rasoloelison Lanto tamin’ny pejiny facebook.

Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, ary efa minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izy.

Isan’ireo nararin’ny Covid-19 izy, ary tany amin’ny hopitaly nitsabo tena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Miisa 100 eo ireo Malagasy mihitsoka any Inde, tsy tafody talohan’ny fikatonan’ny sisintany teto Madagasikara ny 19 martsa 2020 misasak’alina. Nitsabo tena ny ankamaroan’ireo miaraka amin’ny olona nanampy nanaraka azy tany, misy mpianatra vita fianarana, ao ireo niofana nanatevim-pahalalana sy traikefa tany Inde, tao New Dehli sy Bombai indrindra indrindra.

Publié dans A la Une

Higuchi Yoshihiro, le nouvel ambassadeur du Japon à Madagascar, a effectué, ce jeudi 23 juillet, une visite de courtoisie auprès du Directeur Général du Bureau Indépendant Anti-corruption (BIANCO), Andrianirina Laza Eric Donat, au siège du BIANCO sis à Ambohibao.

L’ambassadeur du Japon voulait s’enquérir d'avantage de la situation de la lutte contre la corruption à Madagascar, notamment en ce qui concerne des avancées et des perspectives de la mise en œuvre de la Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption dans la Grande île.

En réponse, le DG du BIANCO lui a dressé le panorama global de la situation de cette lutte depuis sa création en 2004, en insistant sur son action depuis qu’il est nommé à la tête du Bureau en 2019.

Publié dans Politique

Ny fandriaka dia fomba Betsimisaraka entina anaovana asa iombonana sy ifanomezan-tanana amin'ny olona maromaro, ohatra rehefa anao asa fijijam-bary, asa tany, asa fananganan-trano.

Io teny io no nofidin’ny CRCO Atsinanana niantsoana an’ilay tetik’asa nentina nanatevenana ny fanentanana teny ifotony momba ny ady amin'ny aretina Covid-19.

Naharitra telo volana ny tetik’asa (13 Aprily- 13 Jolay). Maro ny asa vita:
- Ireo « affiches » sy « flayers » marobe nozaraina sy napetaka manerana ny tanànan’ny Toamasina;
- Manodidina ny roanjato ireo mpanentana sy « agents communautaires » nahazo fanofanana ka niara-nisalahy tamin'ny asa fanentanana rehetra natao;
- Fandaharana maherin’ny dimampolo no novokarina ka nalefa tamin'ireo haino aman-jery taty Toamasina sy ny manodidina;
- Fitaovana maro toy ny « dictaphone » no novidiana ka nomena ireo tobim-pahasalamana mba hampiasaina amin'ny fanentanana;
- Andro maro misesy no nanatanterahana fanentanana « allô allô » na « dalala » manerana ny tanàna.

Publié dans Sociale

Efa azo atao ny misitraka ny fandraisana ny fisotron-dronono, na pension Trésor na Cnaps, amin'ny alalan'ny Paositra Money manerana ny Nosy.

Tolotra vaovao omen’ny Paositra Malagasy io, ho fitsinjovana ireo zokiolona, izay miaritra fifohazana maraina be, mandeha tongotra lavitra be, milahatra be, rehefa tonga ny fangalana ny fisotron-dronono.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nampiana ireo fitaovana handraisana ireo mararin'ny Covid-19 ao amin'ny CHU Mahavoky Atsimo - Mahajanga.

Farafara 50 isa, miaraka amin’ny kojakoja, miampy latabatra kely 50 isa, ary koa fitaovana fitsapana ny tosi-drà « tensiomètre » 10 isa, no noraisina ny alakamisy 23 jolay.

 

Publié dans Tselatra

Rehefa natelin’ny tondra-dranon’ny rivo-doza ENAWO (martsa 2016) ny BAC tao Agnivorano-Est, dia nijaly sy sahirana ny mponina amin’ity faritra anatin’ny Distrikan’i Brickaville, atsimon’ny tandavana na corridor CAZ/Ankeniheny-Zahamena, izay itambaran’ny kaominina maromaro (Agnivorano-Est, Fetraomby, Marosiragnana, Ambohimanagna).

Efa an-taona maro ireo Ben’ny tanàna no nangataka tamin’ny fitondram-panjakana. Mivaly izany ankehiriny, ka ny Faritra Atsinanana no hanamboatra izany amin'ny alalan’ny teti-bolany madiodio. Anomboka ny fandrafetana ny BAC vaovao ary amboarina ihany koa ny POINTEMENT.
Faritra tena mamokatra tokoa raha ireo kaominina voalaza etsy ambony ireo. Tonga tany an-toerana ny solontenan’Andriamatoa Governora RAFIDISON Richard Théodore, ny Tale DID LAURENT Jean Maurice sy ny PRMP TEFIARITOKY Julda Antonio nijery akaiky ny famaritana ny asa atao.

Publié dans Politique

Ny 3 jolay 2020 ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana no namoaka didy laharana faha 06-HCC/AR milaza fa hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimierandoholona taorian’ny nahafaty ny senatera Razafindrakoto Ravololonirina Emilie, izay nodimandry teto Antananarivo ny 22 jona 2020.

Ny andininy fahatelo amin’io didin’ny HCC io no manambara fa senatera Leader Fanilo voafidy tao amin’ny Faritany Antsiranana i Kalozafy Séraphine.

Publié dans Politique

Araka ny tati-baovao hita ao amin’ny pejy facebook ny Fiadidiana ny Repoblika dia « manampy ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fitsinjarana fanafody eo anivon'ireo CSB II eto Antananarivo sy ny manodidina ny fikambanana FITIA, izay tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina » ho fiaraha-mientana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19.

Fanafody toy ny tambavy CVO, Magne-B6, Vitamine C, Paracétamol, Azithromicyne ary Hydroxychloroquine no tsinjaraina.

« Maimaim-poana avokoa ireo fanafody ireo, ary ny dokotera eny anivon'ireo CSB tsirairay ireo no mamaritra ny fanafody hitsaboana ireo olona izay tonga eny an-toerana », hoy hatrany ny tatitra.

 

Publié dans Sociale