Filtrer les éléments par date : jeudi, 23 juillet 2020

Nekena ny didim-panjakana manome alalana manokana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Société Générale sy ny SPM (State Procurement of Madagascar), izay orinasa tsy anavahana anarana (S.A), nitsangana tamin’ny 17 desambra 2019, amin’ny fanafarana vary 16 000 taonina hamatsiana ny eto an-toerana, izay mitentina 5,3 tapitrisa dolara.

Ka nahafahana nividy vary mora 345$ ny taonina avy any ivelany, na 1 317 900ariary ny taonina amin'ny sandam-bola 3820ariary ny 1 dolara, izay manome 1 317.9 ariary ny vidin'ny 1kg hividianana azy any.

 

Publié dans Economie

Lavo ny marainan’ity alakamisy 23 jolay 2020 ity, nandritra ny fifandonana tamin’ireo vondrona mpampihorohoro mitam-piadiana any Mali, i Razafintsalama Tojohasina. Miaramila kilasy voalohany no galonan’ity farany, ao amin’ny 1er RHP (Régiment de Hussards Parachutistes) any Tarbes Frantsa izy.

Publié dans A la Une

Andiany fahaefatra ireo Governoran’ny Faritra voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, notanterahina tamin’ny alalan’ny « visioconférence » androany alakamisy 23 jolay 2020.

- Faritra Analanjirofo: Dr Randriamanantena Marcellin
- Faritra DIANA: Marisiky Daodo Arona
- Faritra Boeny: Andriantomanga Mokhtar

Publié dans Politique

Mihatra manomboka amin’ity alakamisy 23 jolay 2020 ity ny fepetra mampiato ny fitaterana amin’ireo zotra iombonana mampifandray ireo Distrika mandrafitra ny Farira Boeny, ankoatra ireo mitondra entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Voakasik’izany koa ny bac sy vedety.

Mikatona avokoa ny sekoly sy toeram-panofanana, ny Fiangonana sy ny Mosquée, ny « plage », ny bar sy karaoké ary ireo toeram-pilanonana rehetra.

(Covid- 19 Boeny 21 jolay 2020)

 

Publié dans Tselatra

Mpitondrateny ny Foibem-pibaikoana momba ny Covid-19 i Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Efa-bolana tsy ankiato androany izy no nitatitra ny fivoaran’ny coronavirus eto Madagasikara.

Tsy nisy andro fety, na andro alahady, fa teo hatrany ary tsy nitandro hasasarana ity Sojaben’ny sampana fitsaboana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ity, nizara ireo tarehimarika, ny tsara ho fantatra, nanentana ary koa nanome toroheritra.

Zary rakitra diary ao amin’ny Malagasy ny fotoana isan’andro amin’ny iray ora tolakandro ifamotoanana aminy amin’ny haino aman-jery, anaovany tatitra nandritra izay efa-bolana nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

23 juillet: Journée mondiale des dauphins.

 

Publié dans Fil info