Filtrer les éléments par date : mercredi, 22 juillet 2020

Fahasimbana amin’ny tetezana ao Manambaro, eo amin’ny PK471+800, no anton’ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’i Tolagnaro sy Amboasary, nanomboka androany, mandram-pahavitan'ny fanamboarana, ho an'ny fiara mihoatra ny 3 taonina.

Tsy misy fivilian-dalana azo atao eo amin’io toerana io.

 

Publié dans Tselatra

Nodimandry androany teo amin’ny faha-41 taonany i Tolotra Rakotoniaina Alain fantatra tamin’ny solon’anarana Big Tolotra teo amin’ny sehatry ny haino aman-jery. Notsaboina teny amin’ny hopitaly Anosiala Ambohidratrimo izy, ary Covid-19 no voalaza fa nandavo azy.

Mpanao gazety tao amin’ny Radio Bongolava Tsiroanomandidy i Big Tolotra, Radio Bongolava vao avy nanamarika ny faha-25 taona nisiany ny 15 jolay teo, ary i Big Tolotra no isany mpiasa tranainy tao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nindaosin’ny fahafatesana androany i Raberanto Jean Noel na i Nono Raberanto araka ny anarana maha mpanakanto nahafantaran’ny maro azy, tao amin’ny tarika Raberanto.

Nolazoin’ny aretin’ny voa izy, ary io no nandavo azy tamin’izao faha-61 taonany izao.

Hatao rahampitso alakamisy 23 jolay eny Tanjombato ny fandevenana azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Matetika isika misy asa marobe tsy maintsy atao. Diniho iza no mifampiankina, iza no tsy maintsy atao mialoha vao manao ny asa hafa.

Zarazarao ho asa madinidinika izay asa lehibe tsy maintsy atao, ary atombohy amin'ny asa mora atao sy hainao avy hatrany, mba hanome herijika na courage anao manoloana ny asa maro miandry. Ho hitanao ny fandrosoan'ny asa ka tsy ho kivy ianao.

Rehefa milamina ireo asa madinidinika tsy maintsy atao, dia matoria mihitsy aloha, vao maraina mbola tsy nanao zavatra hafa, dia hidiro ilay asa vaventy. Rehefa tsapanao fa tsy mety hatrany ilay izy, dia ajanony kely mihitsy aloha, aleo hiandry ny ampitso indray, ho hitanao fa rehefa mifoha ianao dia mitombona tokoa ny hoe "ny alina mitondra fisainana", satria na matory aza ianao, io sainao io mandinika ilay olana hatrany, ka ho hitanao ho azy eo ny vahaolana.

Publié dans Editorial

Mahabe resaka ny fihetsika ataona andiana miaramila sasantsasany tato ho ato. Taorian’ny fandratrana olona tao Toamasina sy fitifirana tovolahy izay, 25 taona, tsy salama saina izay nitranga tao Andohan’Ilakaka dia tranga maromaro koa no andrenesana fitarainana any Bekopaka Distrika Antsalova.

« Nahazo fandrahonana ho faty ny tenako. Miaramila mitam-basy no manao izany. Imaso imaso, ary teo anatrehana Assistant parlemantera no nitenenana izany tamiko ny marainan’ny Alahady 19 jolay 2020 fa : omenay anao ny anjaranao raha mitady ianao », hoy i Francklin Miadrizoky.

Voatery nitsoaka ny tenako, hoy ity Ben’ny tanàna teo aloha tao Bekopaka ity. Voatery nisintaka ny tanàna nandeha moto ao Belo Tsiribihina ny tenany, ny alatsinainy teo, naneho ny alahelony tamin’ny horonantsary, ho « fanairana ny mpitondra fanjakana sy ireo ambaratongam-pifehezana miaramila » manoloana ny « fihoaram-pefy sy ny herisetra » ataon’ny miaramila sasany nalefa hampandry tany ao Bekopaka araka ny nambarany.

Publié dans Vaovao

Nanao fampahafantarana ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) fa ny hetsika rehetra hitadiavana tohana ara-bola noho ny fahamaizana nitranga tamin'ny trano nisy ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana (ONE), ny alin'ny 15 jolay lasa teo, dia tsy maintsy filazana ôfisialy avy amin'ny Minisitera (MEDD) sy ny ONE irery ihany.

Izay rehetra mitonona ho manana fahefana hanao izany dia sokajiana ho mpisoloky ary henjehina araka ny lalàna.

 

Publié dans Vaovao

Araka ny fampitam-baovao nataon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena dia marary mitondra ny tsimokaretina Covid-19 miisa 29 ankehitriny no tsaboina eo anivon'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana.

« 19 no mampiseho sori-traretina misy fahasarotana ary mampiasa fitaovana fampisefoana » raha ny fanazavana nomen'ny Dokotera Kolonely Tovone Myriame.

Miasa andro aman'alina ireo dokotera miaramila miisa 2 sy mpitsabo mpanampy 4 ary mpikarakara 2 izay mifandimby manara-maso tsy an-kiato ny fivoaran'ny toe-pahasalaman'ireo mararin'ny Covid-19.

Maimaim-poana ny fitsaboana ary ny hôpitaly no miantoka ny fanafody hitsaboana araka izay misy ao aminy. Mandray an-tanana feno sy mitsabo tanteraka ireo mararin'ny Covid-19 ahitana sori-traretina efa misy fahasarotana ity hôpitaly miaramila ity.

(Loharanom-baovao: Ministeran'ny Fiarovam-pirenena)

 

Publié dans Sociale