Filtrer les éléments par date : mardi, 21 juillet 2020

Araka ny taratasy nalefan'ny minisitry ny fahasalamana Pr AHMAD Ahmad teo anivon'ireo sampana sy mpiara-miasa ary mpamatsy vola momba ny fahasalamana ny alatsinainy 20 jolay 2020, dia nanao fangatahana maika, fitaovana entina miady sy miatrika ny valanaretina Covid-19 izy.

Tafiditra amin'izany, indrindra fa ho an'Antananarivo sy ny manodidina, izay nambarany, fa mihombo izay tsy izy ny aretina, ka mila fitaovana fameloman'aina, fitaovana fiarovana ireo mpitsabo, ireo kojakoja fanaovana fitiliana, ireo fanafody, ary tsy adinony tamin'izany ny vola omena ireo mpitsabo sy ireo mpiasan'ny fahasalamana miatrika izao valanaretina izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tany iray namidy amina olona telo, ary nahazoany vola 35 tapitrisa Ariary. Amin’izay indray taratasin-tany hafa no ivarotan’ilay ramatoa ny tany. Nahatsiaro ho voafitaka ireo mpividy ka nitondra ny raharaha tany amin’ny Polisy.

Tazomina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonja Antalaha ilay ramatoa.

 

Publié dans Tselatra

Araka ny fandaharana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena dia

1. Nizeria,
2. Afrika Atsimo,
3. Ejipta,
4. Alzeria,
5. Maroc,
6. Etiopia,
7. Kenya,
8. Angola,
9. Ghana, ary
10. Tanzania

Publié dans Economie

Nanao fanambarana ny masoivohon’i Comores eto Madagasikara, fa tsy afaka nisidina hitatitra ireo teratany Kaomôriana hody any Comores ny fiaramanidin’ny kaompania malagasy Madagascar Airways fa tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny manampahefana eto an-toerana.

Anio talata 21 jolay no tokony nisy io sidina io saingy tsy tanteraka, ka tamin’ny alalan’io fanambarana io ny masoivohon’i Comores no miantso ireo mpandeha efa nisoratra anarana hanantona ny masoivohon’ny Madagascar Airways eny Ankorondrano Antananarivo hamerenana ny sarandalana efa naloan’izy ireo.

Hikaroka fiaramanidina hafa ny ambasady hitaterana ireo terataniny hody any Comores.

 

Publié dans Politique

Nisy ny tatitra sy ny fanadihadiana, nataon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, izay nijanona ho tsiambaratelo amin'ny antanatoham-panjakana ny 18 jolay 2020, izay nandroso vahaolana ihany koa manoloana ity ady amin'ny Covid-19 ity.

Publié dans A la Une

21 juillet: Journée mondiale de la malbouffe.

 

Publié dans Fil info