Filtrer les éléments par date : dimanche, 19 juillet 2020

Tsy nivalona akory ny herinandro nahalasanan'i Ranaivoson Victor Emmanuel Marcel, ny 12 jolay lasa teo, fantatry ny maro, indrindra ny ao amin'ny Vondrombavaka Katolika, Jesoa Be Famindrampo, Saint Luc Befelatanana, amin'ny anarana hoe Manou, dia nodimandry ihany koa ramatoa vadiny, RAVAOSOLO Hélène, ny sabotsy 18 jolay 2020.

Raha ny angom-baovao dia maty nijanona ny fony. Heverin'ny maro manodidina azy fa noho ny alahelo be loatra tamin'ny fahalasanam-badiny no nahatonga izao fahafatesany izao.

Namela kamboty 5 mianadahy izy mivady lasa any amin'i Jesoa Be Famindrampo izao.

 

Publié dans Art et Culture

Finalement, le gouvernement actuel a osé prendre le chemin vers l'assainissement de l’ONE (Office National pour l’Environnement). A commencer par le limogeage de sa Direction Générale. Une décision que le précédent ministre en charge de l’Environnement et du Développement Durable–(MEDD) n’a jamais osé prendre malgré les suspicions en mai 2019 sur les délits d’initiés, trafic d’influences et autres affaires douteuses, au sein de la Direction Générale, à peine un mois après sa prise de fonction à la barre de l’ONE, et relatées preuves à l’appui dans les journaux et les réseaux sociaux.

Faut-il rappeler ici, qu’en mai 2019, des personnels de l’ONE sous la bannière de « Mpiasa TongaSaina » ont sollicité sur les réseaux sociaux le départ du DG à cause de cette affaire qui a fortement entaché l’image de l’institution. Une demande exaucée par le gouvernement et le Président aujourd’hui.

Publié dans Politique

Ny Pastora Andrianjafy Octave Benil no Filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy na FLM manomboka izao. Izy no misolo toerana ny Pastora Dr Rakotonirina David izay nodimandry herinandro lasa izay.

Izany dia fampiharana, raha misy ny fahabangan-toeran'ny Filoha dia miakatra misolo toerana azy ny Filoha Lefitra araka ny Andininy 61, Andalana 4, Teboka 4.4 amin’ny lalam-panorenana sy ny fitsipika manankery eo amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Pastora Andrianjafy Octave Benil, Filohan’ny Synodam-Paritany Atsinanana (SPAts), no filoha lefitra Birao Foibe FLM. Izy izany no mandray ny toeran’ny Filohan’ny Birao Foibe manomboka izao, misolo an’ny Pastora Dr Rakotonirina David izay nindaosin’ny fahafatesana ny herinandro lasa.

Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia any Farafangana ihany izy aloha no miandraikitra ny asa mandra-pisokatry ny lalana.

 

Publié dans Art et Culture

Mizotra miandalana ny asa fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny Kianja BAREA Mahamasina. Miditra amin'ny rihana faharoa amin'ny « tribune » ny asa ankehitriny.

Hanomboka ny herinandro ho avy iny ihany koa ny asa fanaovana fototra ny « gradins » vaovao izay hiara-dalana amin'ny tohin'ny asa fananganana ny « tribune ».

 

Publié dans Art et Culture

Nisintona poketrana vehivavy iray mpiantsena teo akaikin'ny tetezan-dRamala Isotry – Antananarivo ireto mpanendaka miisa telo ireto no tra-tehaky ny Polisy manao fanamiana sivily. 16, 18, 19 ny taonan’izy ireo, ary efa fanaon'izy ireo ity asa ratsy ity.

Tsy nampoizin'ireto zatovo ny fisiana Polisy manao fanamiana sivily mivezivezy amin'iny faritra iny ka tra-tehaka. Noentina tao amin'ny Kaomisaria Isotry ireo mpanendaka ary tonga nametraka fitoriana azy ireo ilay vehivavy voaendaka.

 

 

Publié dans Vaovao

Napetraka ny 15 Jolay 2020, tao amin'ny Kaominina Beraketa, Faritra Androy ny vatofototra ho fanombohana ny asa fanamboarana ny tohadrano lehibe, izay hanondraka velarantany mirefy 180 ha.

Telo volana ny faharetan'ny asa, ary mitetim-bidy 800 tapitrisa Ariary ny fanorenana ity tohadrano ity, izay amin'ny alalan'ny fandaharasana Defis eo anivon'ny Ministeran'ny fambolena, fiompiana ary ny jono.

Publié dans Sociale

Miroso ny asa fanorenana tohadrano lehibe ao Finday, Kaominina Imanombo, Distrika Ambovombe, Faritra Androy. Ny 75% ny asa no efa vita ankehitriny. Kendrena hanondraka velarantany 280ha ny tohadrano rehefa vita, amin’ny alalan’ireo tatatra fivoahan'ny rano mirefy 9km.

Ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny fandaharanasa Defis eo anivon’ny Ministeran'ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono, no mamatsy vola ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ara-pambolena ity.

Hamaha ny olana amin'ny tsy fahampian-tsakafo ny fahavitan’ity tohadrano lehibe ity.

Nitsidika ny fizotry ny asa ny Governoran'ny Faritra Androy, Soja Tsimandilatse Lahimaro sy ireo mpiara-miasa aminy, ary koa ny Talem-paritry ny fambolena, fiompiana ary ny jono aty Androy, ary ny avy amin’ny fandaharanasa Defis.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Tonga teny amin’ny Foibem-pibaikoana ny Covid-19 na CCO Ivato ny sabotsy 18 jolay 2020 ireo mpianatra amin’ny lalampiofanana farmasia eny amin’ny fakiolte sampana fitsaboana Oniversite Antananarivo. Nanolotra « solution hydroalcoolique » 2080 tavoahangy izy ireo, ho anjara biriky hifarimbonana amin’ny ady amin’ny Covid-19.

Vokatra novokarin’ny mpianatra ihany ity natolotr’izy ireo ity.


Nanotrona izany hetsika izany teny Ivato ny Sojaben’ny fakiolte sampana fitsaboana Oniversite Antananarivo, ny mpandrindra ankapobe ny CCO, ny Tale jeneralin’ny « Agence universitaire Francophone AUF », ary mpianatra sy ny mpampianatra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

19 juillet: Journée Internationale des châteaux

 

Publié dans Fil info

Matetika hitatsika ireny Mopera na Masera na Frera sy Relijiozy ireny, dia tonga ao an-tsaina ny hoe, ahoana no ahafantarana fa voantson'Andriamanitra.

Inona moa no antsoina hoe Antson'Andriamanitra

Ny olona rehetra tsy misy ankanavaka, eny na ireo tsy mahalala an'Andriamanitra aza, dia misy antony anirahin'Andriamanitra azy avokoa eto ambonin'ny tany.

Tsy ny Mopera na Masera ihany izany no Antsoin'Andriamanitra fa isika Laika rehetra ihany koa. Ny fanambadiana dia Antson'Andriamanitra.

Efa matetika noresahina teto fa mitovy ny iraka ampanaovin'Andriamanitra ny Laika sy ny Mopera na Masera na Relijiozy fa ny andraikitra sy ny asa no samihafa, dia ny Famonjena ny Olombelona rehetra mba aha Zanak'Andriamanitra antsika, ny fizarana fitiavana amin'ny alalan'ny Fitoriana ny Tenin'Andriamanitra, na amin'ny alalan'ny Asa izany, na amin'ny alalan'ny Teny, na amin'ny alalan'ny Vavaka.

Publié dans Editorial